FIAKARAN’I JESOSY TANY AN-DANITRA
Ny fiverenan’i Jesosy Kristy tany an-danitra, 40 andro taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty.
Taiza izany no nitranga? Teo amin’ny ilany atsinanan’ny Tendrombohitra Oliva (As 1:9, 12), akaikin’ny tanànan’i Betania. (Lk 24:50) Ireo apostoliny tsy nivadika ihany no nanatri-maso ny niakarany tany an-danitra. (As 1:2, 11-13) “Nakarina teo imason’izy ireo [i Jesosy]. Ary nisy rahona nanarona azy ka tsy hitan’ireo intsony izy.” Raha mbola nibanjina ny lanitra izy ireo, dia nisy anjely nilaza taminy hoe: “Iny Jesosy nakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia ho avy amin’iny fomba iny ihany, toy ilay nahitanareo azy niakatra tany an-danitra.”—As 1:9-11.
Mariho fa ny “fomba” (gr.: trôpôs) niakaran’i Jesosy, fa tsy ny bika (gr.: môrfe) nahitana azy no noresahin’ireo anjely. Tsy hita maso intsony izy rehefa takon’ny rahona. Tsy nankalazaina be ny fiakarany sady tsy nisy fisehosehoana be, araka ny fitantaran’ny Asan’ny Apostoly. Mpianany vitsivitsy monja no nahita azy, ary vao nanomboka niakatra ihany izy no hitan’izy ireo. Afaka nijoro ho vavolombelona ny amin’izany àry ireo apostoly ireo, izay efa nahita azy tafatsangana tamin’ny maty. (As 1:3) Tsy “nanjavona” fotsiny teo anatrehan’izy ireo i Jesosy, toy ny tamin’izy niaraka tamin’ireo mpianatra roa lahy tany Emaosy, na toy ilay anjely niseho tamin’i Gideona izay “nanjavona tsy hitany intsony.” (Lk 24:31; Mpts 6:21, 22) Mitovitovy tamin’ny nataon’ilay anjely niseho tamin-dry Manoa mivady kosa ny fomba niakaran’i Jesosy tany an-danitra. Nasain’io anjely io nanomana biby hatao fanatitra izy mivady, ary “raha niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara, dia niakatra tao anatin’ilay lelafon’ny alitara ilay anjelin’i Jehovah, raha mbola nijery teo ry Manoa mivady.”—Mpts 13:20.
Efapolo andro taorian’ny nananganana azy i Jesosy vao niakatra tany an-danitra. (As 1:3-9) Misy andro maromaro àry nanelanelana ny nananganana an’i Jesosy (Lk 24:1-49), sy ny niakarany tany an-danitra. (Lk 24:51) Tsy ao amin’ny sora-tanana fahiny sasany ilay hoe “ka nakarina ho any an-danitra” eo amin’io andininy io, ka tsy hita ao amin’ny Baiboly anglisy sasany koa (NE, AT). Ahitana an’ireo teny ireo kosa ao amin’ny Papyrus Bodmer (P75), ny Sora-tanana Alexandrinus, ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209, ary ny sora-tanana fahiny hafa.
Vokany teo amin’ny mpianany. Toa mbola nino foana ireo mpianatr’i Jesosy hoe ho eto an-tany ny fanjakany, na dia tamin’ny andro niakarany ho any an-danitra aza. (As 1:6) Nasehon’i Jesosy anefa fa any an-danitra ny Fanjakany, rehefa nataony hitan’izy ireo ny nanombohany niakatra ho any. Tsy toa an’i Davida izay “tsy niakatra tany an-danitra” izy, fa ho eo “ankavanan’Andriamanitra” kosa, araka ny nolazain’i Petera tamin’ny andro Pentekosta.—As 2:32-36.
Efa imbetsaka i Jesosy no nilaza tamin’ny mpianany fa hiverina any an-danitra izy. Tsaroan’izy ireo àry ireny teniny ireny rehefa hitany niakatra tany an-danitra izy, ka azon’izy ireo ny tiany holazaina. Hoy mantsy izy, indray mandeha: “Koa hanao ahoana re raha mahita ny Zanak’olona miakatra ho any amin’izay nisy azy teo aloha ianareo e?” (Jn 6:62) Tafintohina ny mpianany sasany nahare izany. Hoy koa izy tamin’ny Jiosy: “Ianareo avy atỳ ambany, izaho avy any ambony.” (Jn 8:23) Hoy izy ny alina farany niarahany tamin’ny apostoliny: ‘Handeha ho any amin’ny Ray aho hanomana toerana ho anareo.’ (Jn 14:2, 28) Nilaza tamin’ny Rainy koa izy iny alina iny hoe: ‘Vitako ny asa nasainao nataoko teto an-tany.’ Nivavaka izy hoe: “Omeo voninahitra eo anilanao aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.” “Izaho ho any aminao.” (Jn 17:4, 5, 11) Nilaza zavatra mitovitovy amin’izany izy, rehefa nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy. (Mt 26:64) Hoy koa izy tamin’i Maria Magdalena taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty: “Aza mamikitra amiko fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho. Fa mandehana any amin’ny rahalahiko ary lazao aminy hoe: ‘Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.’” (Jn 20:17) Rehefa niakatra ho any an-danitra anefa izy vao tena takatry ny mpianany ireo teniny ireo. Nahita an’i Jesosy teo ankavanan’Andriamanitra i Stefana tatỳ aoriana (As 7:55, 56), ary jamba i Paoly rehefa avy nahita ny voninahitr’i Jesosy any an-danitra.—As 9:3-5.
Nisantatra “lalam-baovao sy velona.” Marina fa hitan’ny mpianany niakatra tany an-danitra i Jesosy, kanefa tsy nanana an’iny vatany iny intsony izy rehefa takon’ny rahona. Nilaza mantsy i Petera fa nofo i Jesosy rehefa novonoina, fa “fanahy” kosa rehefa natsangana. (1Pe 3:18) Nanazava koa i Paoly fa “tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra.” (1Ko 15:50; ampitahao koa ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jn 12:23, 24 sy 1Ko 15:35-45.) Nampitovin’i Paoly tamin’ny fidiran’ny mpisoronabe tao amin’ny Masina Indrindra tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, ny nankanesan’i Jesosy teo anatrehan’Andriamanitra tany an-danitra. Nilaza izy fa ny ran’ny biby natao sorona ihany, fa tsy ny nofony, no nentin’ilay mpisoronabe tao. (He 9:7, 11, 12, 24-26) Avy eo dia nampitahainy tamin’ilay ridao nanasaraka ny efitra voalohany sy ny Masina Indrindra, ny nofon’i Kristy. Tsy nentin’ilay mpisoronabe niaraka taminy akory ilay ridao, rehefa niditra tao amin’ny Masina Indrindra izy mba hiseho teo anatrehan’Andriamanitra. Nandalo teo amin’ilay izy fotsiny izy. Nilaza àry i Paoly fa “manana fahasahiana hiditra eo amin’ilay lalana mankao amin’ny toerana masina isika, ... noho ny ran’i Jesosy. Izany lalana izany no nosantariny ho antsika ho lalam-baovao sy velona izay mamaky eo amin’ilay ridao, izany hoe ny nofony.”—He 9:3, 24; 10:10, 19, 20; ampit. Jn 6:51; He 6:19, 20.
Niakatra tany an-danitra i Jesosy mba hanolotra amin’i Jehovah ny vidim-panavotana noho izy efa nanao sorona ny ainy. Tamin’izay izy no nisantatra “lalam-baovao sy velona” hanatonana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. Afaka mankany an-danitra koa ny olombelona nanomboka teo. Talohan’izay mantsy mbola “tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona”, hoy i Jesosy. (Jn 3:13) Tsy mbola nisy nankany àry na i Enoka, na i Elia, na i Davida. (Ge 5:24; 2Mp 2:11; As 2:34) Hoy mantsy i Paoly: ‘Asehon’ny fanahy masina mazava fa mbola tsy naharihary ny lalana mankao amin’ny toerana masina raha mbola nijoro ilay tranolay voalohany.’—He 9:8; jereo ELIA No. 1; ENOKA No. 2.
Mety ilay filazana hoe ‘nakarina.’ Milaza ny mpitsikera fa ny ntaolo no nino hoe ‘akarina’ ny olona iray, rehefa miala eto an-tany. Tsy nahalala ny firafitr’izao tontolo izao sy ny fihodinan’ny tany mantsy, hono, izy ireny. Na efa mandroso be aza anefa izao ny siansa, dia mbola lazaina ihany hoe miakatra any ambony tsy taka-maso any ny mpanamory sambon-danitra. Fantatsika anefa fa miala ny tany izy ireo mba hanatratrarana halavirana voafaritra iray. Mahaliana koa izay lazain’ny Baiboly momba ireo anjely avy nanambara ny fahaterahan’i Jesosy. Hoy izy io: “Niala teo ireo anjely ka lasa tany an-danitra.” (Lk 2:15; ampit. As 12:10.) Mety ho niakatra àry i Jesosy, araka ny fahitan’ny mpianany azy, kanefa mety ho niova lalana izy mba hahatongavany eo anatrehan’ny Rainy any an-danitra. Tsy hoe niakatra ara-bakiteny fotsiny i Jesosy, fa lasa tafaraka amin’ireo anjely any amin’ny faritra tsy hita maso koa, eo anatrehan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra. Tsy mitovy amin’ny eto an-tany ny any, ka tsy takatry ny sain’olombelona.—Ampit. He 2:7, 9.
Tena nilaina ny niakarany. Tena nilaina ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra noho ny antony maromaro. Nilaza izy, ohatra, fa nila ‘nandeha’ mba hahafahany hanome ho an’ny mpianany ny fanahy masin’Andriamanitra na ilay mpanampy. (Jn 16:7-14) Nandatsaka an’io fanahy io tamin’ny mpianany tokoa i Jesosy tamin’ny Pentekosta. Porofo izany fa efa tonga teo anatrehan’Andriamanitra izy. (As 2:33, 38) Nila niakatra tany an-danitra koa izy, mba hahafahany handoa ny vidim-panavotana. Tsy tokony haloa tetỳ an-tany, tao amin’ny Masina Indrindran’ny tempoly tao Jerosalema mantsy izy io, fa tsy maintsy tany amin’ny “lanitra mihitsy ... eo anatrehan’Andriamanitra.” (He 9:24) Tena nilaina koa ny niakaran’i Jesosy mba hanendrena azy ho “mpisoronabe ambony, izay lasa nankany an-danitra” ka hanomezam-boninahitra azy. (He 4:14; 5:1-6) Nilaza i Paoly fa “tsy ho mpisorona [i Jesosy] raha etỳ an-tany.” Efa “mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Lehibe any an-danitra” anefa i Jesosy izao, ka ‘fanompoana ho an’ny besinimaro, izay fanompoana tsara lavitra noho izany no azony, hany ka mpanelanelana amin’ny fifanekena tsara kokoa mifanitsy amin’izany izy.’ (He 8:1-6) Mampahery ny Kristianina àry ny mahalala fa na andevon’ny ota aza izy ireo, dia ‘manana mpanampy any amin’ny Ray, dia i Jesosy Kristy, ilay marina.’—1Jn 2:1; Ro 8:34; He 7:25.
Nila niakatra tany an-danitra koa i Jesosy, mba hahafahany hitantana an’ilay Fanjakana nomena ho lovany, satria “nasaina nanaiky azy ny anjely sy ny fahefana ary ny fanjakana.” (1Pe 3:22; Fi 2:6-11; 1Ko 15:25; He 10:12, 13; ampit. Da 7:14.) “Naharesy an’izao tontolo izao” (Jn 16:33) izy, ka nanatanteraka an’ilay faminaniana ao amin’ny Salamo 68:18 hoe: “Niakatra tany amin’ny avo ianao, ary nitondra babo.” Nohazavain’i Paoly ny hevitr’izany ao amin’ny Efesianina 4:8-12.