FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Bala-zefona”
  • Bala-zefona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bala-zefona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Pihahirota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanafahana avy Tany Ejipta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Migdola
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ranomasina Mena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Bala-zefona”

BALA-ZEFONA

(Bàla-zefòna) [Tompon’ny Avaratra (Sisin-tany Avaratra)].

Toerana manampy hahalalana hoe taiza ho aiza no nisy an’i Pihahirota, izay nitobian’ny Israelita talohan’ny hiampitany ny Ranomasina Mena. (Ek 14:2; No 33:1-7) Niainga avy tao Ramesesa izy ireo, ary nitoby tao Sokota, ary avy eo tao Etama “teo an-tsisin’ny tany efitra.” (Ek 13:20) Tamin’izay i Jehovah no nilaza tamin’izy ireo mba “hiverina, ka hitoby eo akaikin’i Pihahirota, izay eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina tandrifin’i Bala-zefona.” Teo amin’io toerana io ny Israelita no saika tratran’ny mpitondra kalesin’i Farao sy ny mpitaingin-tsoavaliny ary ny tafiny.​—Ek 14:2, 9.

Tsy fantatra ny toerana nisy an’i Bala-zefona. Azo inoana anefa fa toerana be mpahalala izy io tamin’izany. Ny zavatra azo antoka dia ny hoe niampita ny Ranomasina Mena ny Israelita, ary voalazan’ny tantara fa rano lehibe sy lalina no niampitany. Any atsimo indrindra amin’ilay faritra ihany vao nisy rano lalina be toy izany, izany hoe eo amin’ny tendrony avaratry ny Hoalan’i Suez. Izany no mahatonga ny manam-pahaizana sasany hilaza hoe ireo tendrombohitra tany amin’io faritra io no Bala-zefona. Lazain’ny Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown sy Driver ary Briggs (1980, p. 128) fa any “akaikin’ny Ranomasina Mena any Ejipta” izy io, ary “mety ho ny T. ʽAtaka.” Any akaikin’ny tendron’ny Hoalan’i Suez no misy an’io tendrombohitra io, tsy dia lavitra ny tanànan’i Suez ankehitriny, any atsimoandrefany. Ny manam-pahaizana hafa kosa mihevitra fa i Jebel el Galala any atsimo, any amin’ny 40 km na mihoatra, i Bala-zefona. Mino izy ireo fa i Migdola, izay voaresaka miaraka amin’i Bala-zefona, dia tilikambo iray fanaovana andry maso teo an-tampon’i Jebel (Tendrombohitra) ʽAtakah.​—Jereo FANAFAHANA NY ISRAELITA AVY TANY EJIPTA; PIHAHIROTA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara