FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fandriana”
  • Fandriana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandriana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fisakafoana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jesosy Kristy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Farafara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Foto-dresaka Ara-baiboly
    Foto-dresaka Ara-baiboly
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fandriana”

FANDRIANA

Isan-karazany ny fandrianan’ny olona fahiny, arakaraka ny harenany sy fari-piainany ary fomba amam-panaony, toy ny ankehitriny ihany. Nanao ladina an-tany (indraindray nasiana lafika manify na kidoro nosesefana mololo) matetika ny mahantra sy mpiandry ondry ary mpanao dia lavitra. Ny mpitondra sy mpanankarena kosa nanana fandriana lafo vidy sy be haingonkaingony tao an-tranony.

Mishkav (heb.) avy amin’ny fototeny hoe shakav (matory) (Ge 49:4; Le 26:6), sy kline (gr.) avy amin’ny hoe klinô (miankina) mazàna no nadika hoe ‘fandriana.’ (Mt 9:2; Lk 9:58) Nadika koa hoe ‘fandriana’ ny hoe kôite (gr.; ‘toerana fatoriana’) (Lk 11:7), nefa azo adika koa hoe “fandrianan’ny mpivady” (He 13:4), sy “firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna” (Ro 13:13), ary azo ilazana ny hoe miteraka na mitoe-jaza. (Ro 9:10) Ilazana an’izay azo atoriana koa ny teny hebreo hoe mittah (fandriana), ʽeres (fandriana), yatsoaʽ (farafara), ary ny teny grika hoe krabattôs (fandriana) (Mr 2:4). Tsy dia navahan’ny mpanoratra Baiboly anefa ireo teny ireo, fa nampiasainy ny roa na mihoatra mba hilazana zavatra iray ihany matetika. Nantsoiny hoe farafara koa, ohatra, ny fandriana. (Jb 7:13; Mt 9:6; Mr 2:11; Sl 6:6; Ge 49:4) Nampiasa azy ireny ny olona natory tamin’ny alina na antoandro (2Sa 4:5-7; Jb 33:15), ny marary, ary ireo nanao firaisana (Sl 41:3; Ezk 23:17). Nisy farafara fametrahana ny maty koa tao amin’ny fasana lehibe. (2Ta 16:14) Nila fandriana ireo nandry ilika hisakafo. (Es 7:8; Mt 26:20; Lk 22:14) Nisy koa farafara filanjana mpanjaka.​—To 3:7-10.

Fahita teny ambony fandriana, ohatra, ny ondana. Natory “niondana” teo amin’ny vodisambo kosa i Jesosy tamin’izy niampita ny Ranomasin’i Galilia. (Mr 4:38) Ny akanjo fanao andavanandro ihany no nentina natory, fa rehefa ririnina vao nirakofana ny “lamba notenomina” na lamba hafa. (Is 28:20) Tsy azon’ny Israelita natao àry ny nitazona tany aminy ny fitafian’ny olona iray taorian’ny filentehan’ny masoandro, satria “iny ihany no mba firakofany ... Koa inona no hoentiny matory?”​—Ek 22:26, 27.

Tsihy vita amin’ny mololo na harefo no fandrianan’ny Tatsinanana matetika. Mety ho nasiana lambam-pandriana na kidoro ilay izy mba halemilemy. Nahorona sy nampirimina ilay tsihy, rehefa tsy nampiasaina. Nisy koa farafara hazo avoavo (Mr 4:21), ka teny ny olona no nipetraka rehefa antoandro. Maivana kosa ny fandriana faran’izay tsotra, ka azo nobataina sy nentina.​—Lk 5:18, 19; Jn 5:8; As 5:15.

Voaravaka peta-kofehy niangaliana be ny lambam-pandrianan’ny mpanankarena. Hoy koa ilay mpivaro-tena nahay nanangoly: “Efa nasiako lambam-pandriana tsara tarehy ny fandrianako, dia lamba rongony avy any Ejipta sady maro loko. Efa nofafazako miora sy aloesy ary kanelina koa ny fandrianako.” (Oh 7:16, 17) Mitovy amin’ireo “fandriana volamena sy volafotsy” tao an-dapan’i Persa ny “farafara mirenty”, “fandriana avy any Damaskosy”, ary “farafara ivoara” nananan’ny Israelita mpikomy.​—Es 1:6; Am 3:12; 6:4.

Nitokana ny efitra fatoriana tao amin’ireo trano lehibe. (Ek 8:3; 2Mp 6:12; 11:2) Naleon’ny olona anefa matetika natory teny an-tampon-trano rehefa nahamay ny andro, satria nangatsiatsiaka teny.

Nisy koa fandriana mitafo azo nobataina. Nisy ridao ny lafiny efatra, ary natao hilanjana olona ambony izay afaka nipetraka na natory ilay izy, ka nolanjain’ny olona na biby mpitondra entana. Nisarona kosa ny farafara tany Atsinanana. Vita tamin’ny hazon’i Libanona ny farafaran’i Solomona Mpanjaka, volafotsy ny andry taminy, ary volamena ny fiankinana. Nifono volonondry tsara tarehy lafo vidy izay nolokoana volomparasy somary mena ny fipetrahana tao amin’izy io. Mety ho noravahana hazomainty ny anatiny.​—To 3:7-10.

Sôrôs no iantsoana ny farafara filanjana faty.​—Lk 7:14.

Miresaka fandriana sy farafara an’ohatra koa ny Baiboly. Toy ny hoe mandry eo am-pandriana, ohatra, ny maty. (Jb 17:13; Ezk 32:25) ‘Mihoby eo am-pandrianany’ ireo tsy mivadika amin’i Jehovah, fa ireo nania kosa midradradradra sy mieritreritra eo am-pandrianany ny hanisy ratsy. (Sl 149:5; Ho 7:14; Mi 2:1) Tsy nahafehy ny filany i Robena fa nanao firaisana tamin’ny vadikelin’i Jakoba rainy, ka nandoto ny farafaran’izy io. (Ge 35:22; 49:4) Ny Kristianina kosa tsy tokony handoto “ny fandrianan’ny mpivady”, izany hoe ny fanambadiana izay fandaharana masina.​—He 13:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara