FANAPAHAN-DOHA
Fomba famonoana olona voaheloka ho faty, nefa tsy notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Nampihatra io sazy io ny ankamaroan’ireo firenena. Ny Israelita kosa namono an’ilay olona aloha vao nanapaka ny lohany, ho fanalam-baraka azy na ho fampahafantarana ny saziny amin’ny besinimaro na ho fampitandremana.
‘Notapahin’i Farao ny lohan’ilay’ lehiben’ny mpanao mofony. (Ge 40:19) Voan’ny vato nalefan’i Davida tamin’ny pilotra i Goliata ka nianjera. Ny sabatr’izy io ihany avy eo no nanapahany ny lohany teo anatrehan’ny tafik’Israely sy Filistia, ka “namonoany azy ho faty tanteraka.” Raiki-tahotra àry ny Filistinina ka vaky nandositra. (1Sa 17:51, 52) Notapahin’ny Filistinina ny lohan’i Saoly rehefa maty izy, ary nahanton’izy ireo teo amin’ny mandan’i Beti-sana ny fatiny sy ny an’ireo zanany lahy. (1Sa 31:9, 12) Novonoin’i Rekaba sy Bana, lehilahy ratsy fanahy, i Isboseta zanak’i Saoly ary notapahiny ny lohany mba hasehony an’i Davida. Nanantena hahazo sitraka taminy izy ireo, kanjo nasainy novonoina. (2Sa 4:5-12) Nihaino ny tenin’ny vehivavy hendry iray ny mponin’i Abela tany Beti-maka, ka notapahin’izy ireo ny lohan’i Sheba zanak’i Bikry ary natsipiny teny amin’i Joaba tany ivelan’ny manda, mba tsy hotafihina ny tanànany. Tsy hay raha novonoina i Sheba vao notapahin-doha. (2Sa 20:15, 21, 22) Novonoin’ireo anti-panahy sy olo-manan-kaja tao Samaria ireo 70 lahy zanak’i Ahaba. Nataony tao anaty sobika ny lohan’izy ireo, nalefany tany amin’i Jeho tany Jezirela, ary natao antontany roa teo am-bavahadin’ny tanàna, ho fahatanterahan’ny didim-pitsaran’i Jehovah nolazain’i Elia.—2Mp 10:6-10; 1Mp 21:20-22.
Nangatahin’ny zanakavavin’i Herodiasy ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa, ka nasain’i Heroda Antipasy notapahina tao am-ponja. (Mt 14:8-11; Mr 6:24-28; Lk 9:9) Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana ireo “novonoina tamin’ny famaky noho izy nitory momba an’i Jesosy sy niresaka momba an’Andriamanitra.”—Ap 20:4; jereo HELOKA SY SAZY.