FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Beti-haezela”
  • Beti-haezela

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Beti-haezela
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Marota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Afra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Zanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mika, Bokin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Beti-haezela”

BETI-HAEZELA

(Bèti-haezèla).

Tanàna, izay azo inoana fa tany Joda. Ny hany miresaka azy io dia ny faminanian’i Mika momba ny loza hanjo an’i Samaria sy Jerosalema noho izy ireo nivadika. (Mi 1:11) Nanao tsilaolaon-teny imbetsaka ilay mpaminany rehefa nanonona anaran-tanàna maromaro tao amin’io faminaniana io. Hoy izy: “Mihosinkosena amin’ny vovoka, ao amin’ny trano any Afra [mety hidika hoe “Vovoka”]. Mandehana, ry mponin’i Safira [midika hoe “Mihaja; Mangirana; Mahafinaritra”], amin’izato fitanjahanao mahamenatra. Tsy nety nandeha kosa ny mponin’i Zanana. Noho ny fidradradradran’i Beti-haezela [midika hoe “Trano eo Akaiky (Mifanila)”], dia tsy hahajanona ao amin’ny toeram-pialofana any ianareo. Ary zava-tsoa no nandrasan’ny mponin’i Marota [avy amin’ny fototeny midika hoe “mangidy”], kanjo zava-dratsy avy tamin’i Jehovah no nidina ho eo am-bavahadin’i Jerosalema.” (Mi 1:10-12) Nampitandrina an’ireo hiharan’ny loza ilay mpaminany, ka nampahafantatra azy ireo fa ho tonga hatrany Jerosalema ny fidradradradrana.

Misy mihevitra ny toerana nisy an’i Beti-haezela fahiny ho tao Deir el-ʽAsal, tokony ho 16 km any andrefana atsimoandrefan’i Hebrona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara