FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Beti-zora”
  • Beti-zora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Beti-zora
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Maona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Halola
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Idomea
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Gedora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Beti-zora”

BETI-ZORA

(Bèti-zòra) [Tranon’ny Vatolampy].

Tanàna tao amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda, tanisaina eo anelanelan’i Halola sy Gedora. (Js 15:58) Mbola ahitana an’ilay anarana ao amin’ny anaran’ny tanànan’i Burj Sour. Hita avy tamin’ireo zavatra nofongarina anefa fa ny tena nisy an’i Beti-zora fahiny dia tao Kirbet et-Tobeikeh (Bet Zora), tokony ho 0,5 km any avaratrandrefan’i Burj Sour. Any amin’ny 7,5 km any avaratr’i Hebrona no misy an’i Kirbet et-Tobeikeh. tokotokony ho 5 km any avaratra avaratrandrefany no misy an’i Gedora, ary 1,5 km any atsimo atsimoatsinanany no misy an’i Halola. Voalaza fa izy io no tanàna rava avo toerana indrindra any Palestina, satria 1007 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina ilay havoana misy azy. Tsara toerana i Beti-zora satria teo akaikin’ny lalambe nanaraka ny tampon’ilay tandavan-tendrombohitra nampitohy ny avaratra sy ny atsimo, sady nandalovan’ny lalana nankany Maresa sy Libna tany andrefana.

Namerina nanorina tanàna 15 i Rehoboama Mpanjaka, taorian’ny nizaran’ny fanjakana. Nataony tanàna voaro mafy izy ireny mba hiarovana ny fokon’i Joda sy Benjamina tamin’ny fanafihan’ny fahavalo. Iray tamin’ireny tanàna ireny i Beti-zora. (2Ta 11:5-12) Anisan’ny tanàna nonenan’ireo Jiosy nody avy tany an-tsesitany tany Babylona koa izy io. (Ne 3:16) Tamin’ny andron’ny Makabeo, dia nitana toerana lehibe i Beti-zora (nantsoina hoe Betsora na Bety-Tsoro), rehefa niady ny Jiosy sy ireo tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus tany Syria. Mitantara ny bokin’ny Makabeo Voalohany fa resin’i Jodasy Makabeo tao Beti-zora ny tafika syrianina (165 T.K.), ary nohamafisiny ilay tanàna. (1 Makabeo 4:61; 6:26) Nataon’ny Syrianina fahirano ilay tanàna, tamin’ny 162 T.K. Nitolo-batana àry ny olona tao tamin’ny farany, satria lany vatsy. (1 Makabeo 6:30-50) Lasa toerana fitobian’ny miaramila syrianina izy io, ary nohamafisin’ny Jeneraly Bakidesa ny fiarovana azy.​—1 Makabeo 9:52.

Hita avy tamin’ireo zavatra nofongarina tao Beti-zora tamin’ny 1931 sy 1957 fa tena nisy tanàna voaro mafy tao. Nahitana vola madinika maro koa tao, izay nampiasaina tamin’ny taonjato fahefatra T.K. ka hatramin’ny taonjato faharoa T.K. Anisan’ireny vola madinika ireny ny vola jiosy vita tamin’ny volafotsy, izay voalaza fa efa tamin’ny andron’ny Persianina na tamin’ny taonjato fahefatra T.K. tany ho any.

Misy anaran’i Beti-zora ao amin’ny lisitry ny taranak’i Kaleba rahalahin’i Jeramela, ao amin’ny 1 Tantara 2:45. Voalaza ao fa “rain’i Beti-zora” i Maona. Maro ny mpivaofy teny milaza hoe tanàna i Beti-zora, ka i Maona no razamben’ireo nonina tao, na izy no lehiben’ny tanàna.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara