FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Bilaha”
  • Bilaha

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bilaha
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanana Fianakaviambe Iray i Jakoba
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Rahely
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Jakoba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mpirahavavy Ory Nefa ‘Nahatsangana ny Tranon’ny Israely’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Bilaha”

BILAHA

(Bilà).

1. Mpanompovavy iray tao amin’ny ankohonan’i Labana. Nomen’i Labana ho mpanompon’i Rahely zanany vavy i Bilaha, rehefa nanambady an’i Jakoba i Rahely. (Ge 29:29) Tany Padana-arama, lembalemba tany amin’ny faritra avaratr’i Mezopotamia, izany no nitranga. Rehefa hitan’i Rahely fa momba izy dia nomeny ho vadikelin’i Jakoba i Bilaha mba hahazoany zaza avy amin’io mpanompony io. Toy ny nataon’i Saraha ihany no nataony. (Ge 16:2) Niteraka roa lahy àry i Bilaha, dia i Dana sy Naftaly. Ny taranak’izy roa lahy ireo no lasa foko 2 tamin’ny foko 12 teo amin’ny Israely. (Ge 30:3-8; 35:25; 1Ta 7:13) Rehefa nihaona tamin’i Esao rahalahiny kambana aminy i Jakoba, teny an-dalana hiverina tany Kanana, dia nampifankahalalainy tamin’i Esao i Bilaha sy ny zanany. Nijangajanga tamin’i Bilaha i Robena lahimatoan’i Jakoba, taorian’ny nahafatesan’i Rahely.​—Ge 35:22; 49:3, 4.

2. Tanànan’ny fokon’i Simeona. Tao amin’ny faritr’i Negeba any Joda izy io. (1Ta 4:29) Toa io ihany ilay Bala ao amin’ny Josoa 15:29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara