TSARAMASO BE
[Heb.: pôhl].
Tsaramaso be (Vicia faba) maniry isan-taona ary be mpamboly any Syria sy Palestina ny hoe pôhl (heb.), na fol amin’ny teny arabo. Efa ela ny tany Ejipta no namboly tsaramaso be, matoa nahitana azy io tao anaty vatam-paty ejipsianina.
Mafy sy mijoro mahitsy ilay tsaramaso maniry, mahatratra 1 m eo ho eo, ary manitra rehefa mamelana. Mivolontsôkôlà na mainty ny voany matoy, ary lehibe sy matevina ny hodiny. Ambolena aorian’ny oram-pararano na orana aloha ilay tsaramaso, ary otazana rehefa hifarana ny fijinjana vary orza sy varimbazaha amin’ny faran’ny lohataona. Kororohina toy ny vary ilay izy. Azo andrahoina toy ny legioma ny hodiny sy voany mbola tanora, fa ny voany matoy kosa andrahoina miaraka amin’ny hena sy menaka matetika.
Nisy tsara sitrapo nitsena sy nitondra fitaovana sy sakafo, anisan’izany ny tsaramaso be, ho an-dry Davida tao Mahanaima, rehefa niala tao Jerosalema sy niampita an’i Jordana izy ireo, noho ny fikomian’i Absaloma. (2Sa 17:24-29) Nasaina nanao mofo tamin’ny tsaramaso be nafangaro lantihy sy vary samihafa i Ezekiela, ary noferana ny lanjan’izay hohaniny satria hisy mosary.—Ezk 4:9, 10.