KALEBA-EFRATA
(Kalèba-efràta).
Anaran-toerana hita ao amin’ny 1 Tantara 2:24, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta. Voalaza ao fa maty tao Kaleba-efrata i Hezrona avy amin’ny fokon’i Joda. (Ampit. LXX.) Izay ihany no voalaza momba an’i Kaleba-efrata, ary tsy misy fanazavana momba ny toerana nisy azy io.—Jereo HEZRONA No. 2.