FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fanday”
  • Fanday

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanday
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanday Fihinana
    Mifohaza!—2007
  • Samoina Tsara Tarehy
    Mifohaza!—2001
  • Tsy Hohadinoinay Mihitsy Ilay Nihinana Bibikely
    Mifohaza!—2012
  • Efa Antomotra ny Andron’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fanday”

FANDAY

[Heb.: gazam].

Bibikely mandady miofo ho lolo na samoina. Toa avy amin’ny fototeny midika hoe “manapaka” ny hoe gazam (heb.). Manapaka na mandidy tsikelikely ny ravina tsirairay amin’ny zavamaniry tokoa ny andiana fanday, toy ny valala ihany, ka mila ho ringitra mihitsy ilay zavamaniry. (Jl 1:4; 2:25; Am 4:9) Heverina fa “valala” no dikan’ny hoe gazam, saingy kampe (gr.) midika hoe fanday no ampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Fanday koa, hoy i Koehler sy Baumgartner, no dikan’ny hoe gazam. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 178) Nisy àry Baiboly nandika azy io hoe “fanday” (Jl 1:4; 2:25, Le; TV; DIEM). Ny hafa kosa nanao hoe “kijeja” (Prot.) na “gazàna” (Kat.).

Zavamaniry ihany no tena sakafon’ny fanday, ary mirangorango izy ka misy mahalany indroan’ny lanjany ao anatin’ny iray andro. Tena simba àry ny zavamaniry andalovany, rehefa manao andiany izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara