KEFARA-HAMONY (Kefàra-hamòny) [Tanànan’ny Amonita]. Tanàna lovan’ny fokon’i Benjamina. (Js 18:21, 24) Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io. Misy milaza azy io ho i Kirbet Kefr ʽAna, tanàna rava tokotokony ho 5 km any avaratra avaratratsinanan’i Betela.