KIMAMA
(Kimàma) [Ho Safotry [ny faniriana mafy]].
Toa zanakalahin’i Barzilay. Rehefa nanasa an’i Barzilay zokiolona ho any an-dapany i Davida Mpanjaka, dia nanda izy, fa i Kimama no nasainy nisolo toerana azy. Hoy i Davida: “Hiampita miaraka amiko àry i Kimama, ary hataoko aminy izay sitrakao. Ary izay rehetra tianao hataoko, dia hataoko ho anao.” (2Sa 19:33, 37-40) Toa tao an-dapa foana i Kimama, rehefa jerena ny toromarika farany nomen’i Davida an’i Solomona. (1Mp 2:7) Miresaka momba ny “toeram-pilasian’i Kimama”, tany akaikin’i Betlehema ny Jeremia 41:17. Tsy fantatra raha ilay Kimama tamin’ny andron’i Davida ihany io, na lehilahy velona tatỳ aoriana kokoa fa nitovy anarana fotsiny. Misy mpivaofy teny milaza fa tany nomena an’i Kimama angamba izy io, noho ny fanompoana nataony ho an’i Davida, na toerana nanorenan’i Kimama toeram-pilasiana ho an’ny mpanao dia lavitra.