FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fangorahana”
  • Fangorahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fangorahana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tena Mangoraka Ilay Andriamanitsika”
    Manatòna An’i Jehovah
  • Miezaha Hahay Hangoraka toa An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Aoka Ianao ho Be Fangoraham-po Miharo Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Manàna “Fangorahana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fangorahana”

FANGORAHANA

Toetran’ny olona mora mahatsapa ny fijaliana na ny fahorian’ny hafa ka te hitondra fanamaivanana ho azy. Anisan’ireo teny hebreo manana heviny hoe fangorahana ny matoanteny hamal, izay midika hoe “mangoraka; miantra.” (Ek 2:6; Ml 3:17; Is 30:14) Midika hoe “mangoraka” ny matoanteny grika ôikteirô, fa ny anarana ôiktirmôs kosa milaza fangorahana na fangoraham-po. (Ro 9:15; 12:1; 2Ko 1:3; Fi 2:1; Kl 3:12; He 10:28) Mety hidika hoe mangoraka ny teny grika splagkna (tsinay).​—1Jn 3:17.

I Jehovah no modely tsara indrindra amin’ny fangorahana. Hita mihitsy izany tamin’ny fomba nitondrany ny Israelita. Tsy hoe nalahelo mafy fotsiny izy tamin’izy ireo nijaly tany Ejipta, fa novonjeny teo an-tanan’ireo mpampahory koa izy ireo ary nokarakarainy tamim-pitiavana tany an-tany efitra. (Is 63:7-9) Nihaino ny antsoantson’izy ireo Andriamanitra ka nanafaka azy imbetsaka teo an-tanan’ny fahavalony, na dia nivadika taminy imbetsaka koa aza izy ireo rehefa nonina tao amin’ny Tany Nampanantenaina.​—Mpts 2:11-19.

Tsy afaka nibebaka intsony ny Israelita tamin’ny farany, satria be loatra ny fahotany. Nanompo sampy be izy ireo, ka nentiny tao amin’ny toerana masin’i Jehovah ny sampy ary nandoto azy io. Nesoesoiny ny mpaminany, ary nataony tsinontsinona ny tenin’i Jehovah. Tsy nangoraka azy ireo intsony ilay Avo Indrindra. Natolony teo an-tanan’i Nebokadnezara Mpanjaka izy ireo noho izany, ka tanteraka ny didim-pitsarana efa nambaran’ny mpaminany.​—2Ta 36:15-17; Je 13:14; 21:7; Ezk 5:11; 8:17, 18.

Rahoviana no tsy tokony hangoraka? Miezaka hangoraka toa an’i Jehovah ny Kristianina rehetra, rehefa tena mahalala azy. (Ef 4:32–5:1) Tsy tokony hangoraka anefa isika, indraindray. Tsy mety, ohatra, ny mangoraka sy miaro olona iray nikiry nanota ary ninia nanohitra ny fitsipika marin’i Jehovah. Tokony hahazo ny sazy sahaza azy kosa izy.​—De 13:6-11; He 10:28.

Mety ho ratsy be ny vokany raha manaiky hoteren’ny hafa hangoraka olona tsy tian’Andriamanitra hangorahana isika. Hita mihitsy izany tamin’i Saoly Mpanjaka. Nodidiana mantsy izy mba hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny Amalekita izay firenena voalohany nanafika tsy ahoan-tsy ahoana an’ireo Israelita tamin’izy ireo niala tany Ejipta. Tsy tokony hangoraka an’ireo Amalekita i Saoly. Noteren’ny vahoakany anefa izy ka tsy tena nankatò an’ilay didy. Nolavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka àry izy. (1Sa 15:2-24) Tsy hamerina ny fahadisoan’i Saoly ny olona iray, raha tena mankasitraka ny fitsipika marin’i Jehovah, ary tsy mivadika aminy voalohany indrindra. Hahazo sitraka amin’Andriamanitra foana koa izy raha manao izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara