FIVORIANA, FIVORIAMBE
Fihaonan’ny olona maromaro eo amin’ny toerana iray, noho ny antony iray voafaritra tsara. Nadika avy amin’ny teny hebreo hoe mikraʼ ny hoe “fivoriambe” ao amin’ny Baiboly. Avy amin’ny matoanteny fototeny hoe karaʼ (miantso) izy io, ary midika hoe “mamory” na “mampiantso.” Azo adika koa hoe “fiantsoana” àry izy io. Nampiasaina izy io, ohatra, ao amin’ny Nomery 10:2 mba hilazana ny famoriana ny vahoakan’Israely. (Ampit. Is 1:13.) Ahitana an’ilay teny hoe mikraʼ koa ao amin’ny Isaia 4:5, izay miresaka momba ny “toerana fanaovana fivoriambe” eo amin’ny Tendrombohitra Ziona. Matetika no misy an’io teny io ao amin’ilay hoe “fivoriambe masina” (Ek 12:16; Le 23:2, 3), izay fotoana tsy tokony hiasana.
Midika hoe “fotoana voatondro” na “toerana nifanarahana” ny teny hebreo hoe môhʽed. Iray ihany ny fototenin’izy io sy ny an’ilay teny hoe ʽedah, izay nadika matetika hoe “vahoaka.” (1Sa 13:8; 20:35) Miverina in-223 ny hoe môhʽed ao amin’ny Soratra Hebreo, toy ny ao amin’ilay hoe “tranolay fihaonana.” (Ek 27:21) Ilazana an’ireo fety nandidian’i Jehovah koa ny hoe môhʽed. (Le 23:2, 4, 37, 44) Hita ao amin’ny Isaia 33:20 koa izy io. Voalaza ao fa “tanàna fanaovantsika fety” i Ziona.
Ilay teny hebreo hoe ʽatsarah kosa no nadika hoe “fivoriambe manetriketrika”, ary ilazana ny Fetin’ny Trano Rantsankazo sy ny Paska.—Le 23:36; De 16:8.
Sôhd no teny hebreo ilazana ny fivorian’ny mpinamana, ary midika hoe “tsiambaratelo; fisakaizana” izy io. (Oh 11:13; Jb 29:4) Nadika hoe “mpinamana akaiky” izy io ao amin’ny Salamo 89:7, izay manao hoe: “Andriamanitra tokony hohajaina izy, eo anivon’ireo masina mpinamana akaiky. Be voninahitra sy mendrika hatahorana izy, eo amin’izay rehetra manodidina azy.”
Mpanjakan’izao Rehetra Izao i Jehovah Andriamanitra, ka zony ny mamoaka didy hoe tokony hivory ny mpanompony, ary rahoviana sy aiza. Mitady izay hahasoa azy ireo mantsy izy. Noho ny antony samy hafa no nivorian’ny vahoakan’Andriamanitra taloha. Nampiray saina azy ireo ireny fivoriana ireny, satria zavatra mitovy no ren’ny rehetra tamin’ny fotoana iray ihany.
Nilamina tsara ny fivorian’ny vahoakan’i Jehovah. Betsaka ny mpanatrika ary tena nampahery izy ireny. Fotoana tena nahafaly koa izy ireny matetika. Maro ny fivoriambe mampahery resahin’ny Baiboly.
Novorin’i Mosesy sy Arona ireo anti-panahin’ny Israely tany Ejipta, araka ny didin’i Jehovah. Nilaza ny tenin’i Jehovah tamin’izy ireo izy mirahalahy sady nanao famantarana, ka nino ny vahoaka. (Ek 4:27-31) Nodidian’Andriamanitra hivory teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay (Horeba) ny Israelita, tatỳ aoriana. Nahita zava-mahagaga izy ireo teo, anisan’izany ny nanomezana ny Lalàna.—Ek 19:10-19; De 4:9, 10.
Nasain’i Jehovah nanao trompetra volafotsy roa i Mosesy, tamin’ny Israelita tany an-tany efitra. Nampiasaina hamoriana ny vahoaka izy ireny, ary hampilazana fa tokony hiainga ny toby. Raha niara-notsofina izy roa, dia ny vahoaka manontolo no namonjy ny fotoanany tamin’i Mosesy. Raha ny iray kosa no notsofina, dia ny mpiadidy ihany no nantsoina. ‘Teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana’ ny vahoaka no nivory. (No 10:1-4; Ek 29:42) Nasain’i Jehovah nivory tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny Israelita tatỳ aoriana, nandritra ireo fety lehibe telo fanao isan-taona.—Ek 34:23, 24; 2Ta 6:4-6.
Solontena tamin’ny fivoriana. Ny “mpiadidy vahoaka” (Ek 16:22; No 4:34; 31:13; 32:2; Js 9:15, 18; 22:30) na ny “anti-panahy” (Ek 12:21; 17:5; 24:1) no nisolo tena ny vahoakan’Israely indraindray, rehefa nisy fivoriana. Nisy olona maromaro nivory teo am-bavahadin’ny tanàna, rehefa nisy raharaham-pitsarana nodinihina. Tsy izy rehetra anefa no namoaka didim-pitsarana. Ny anti-panahy kosa no nanapa-kevitra, rehefa avy namakafaka ny lalàn’Andriamanitra. (De 16:18; 17:8-13) Toy izany koa fa ireo notendren’ny fanahy masina ho mpiandraikitra no nisolo tena ny fiangonana kristianina tany am-boalohany, rehefa nisy raharaha nodinihina. (As 20:28) Ny vahoakan’Israely manontolo no nampihatra ny didim-pitsarana, rehefa nisy voaheloka ho faty.—Le 24:14; No 15:32-36; De 21:18-21.
Fivoriambe. Nisy fivoriambe tany Israely rehefa nisy fety ara-pivavahana na fivoriambe nanetriketrika (2Ta 34:29, 30; Jl 2:15) na fisehoan-javatra niavaka, ka ny mpihazakazaka no nirahina hamory vahoaka indraindray. (1Sa 10:17-19; 2Ta 30:6, 13) Teo, ohatra, ny fankalazana tsinam-bolana (No 28:11-15), ny andro fitsofana trompetra (No 29:1-6), ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona (Le 16), ny Paska (ho fahatsiarovana ny nanafahana ny Israelita tany Ejipta; Ek 12:14), ny Fetin’ny Porima (ho fahatsiarovana ny tsy naharipaka ny Jiosy tao amin’ny Fanjakana Persianina; Es 9:20-24), ary ny Fetin’ny Fitokanana (ho fahatsiarovana ny nitokanana indray ny tempoly tamin’ny 25 Kisleo 165 T.K.; Jn 10:22, 23). Nisy “fety” telo koa “nandidian’i Jehovah” hatao isan-taona: Ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, ny Fetin’ireo Herinandro (Pentekosta), ary ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. (Le 23) Hoy izy momba ireo fety ireo: “Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminareo no hiseho eo anatrehan’i Jehovah, ilay tena Tompo.” (Ek 23:14-17) Tena zava-dehibe tamin’ny lehilahy maro ireny fety ireny, ka nentiny niaraka taminy ny fianakaviany manontolo. (Lk 2:41-45) Nilaza koa i Mosesy fa tokony hivory teo amin’ny toerana nofidin’i Jehovah ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny ankizy ary ny vahiny tany Israely, isaky ny fito taona, amin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo, ‘mba hihainoany sy hianarany, satria tokony hatahotra an’i Jehovah Andriamanitra izy, ary tokony hitandrina mba hanaraka an’izay rehetra voalazan’ny lalàna.’ (De 31:10-12) Nasaina nivory matetika àry ny Israelita mba handinihany ny Tenin’i Jehovah sy ny fikasany.—Jereo FETY.
Nanao fivoriambe tao Jerosalema i Solomona, mba hitokanana an’ilay tempoly tsara tarehy naoriny. Naharitra andro maro izy io, ary “faly sy ravoravo” ny vahoaka rehefa nalefa nody, “noho ny soa nataon’i Jehovah tamin’i Davida sy Solomona ary ny Israely olony.”—2Ta 5:1–7:10.
Faly be sy tena nahazo fampaherezana ireo olona maro be nivory tao amin’ny tempoly, nandritra ireo fety fanao isan-taona. “Nisy fifaliam-be”, ohatra, “tany Jerosalema” tamin’ilay Paska nankalazaina tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka (2Ta 30:26), sy nandritra ilay fivoriambe tamin’ny andron’i Nehemia. (Ne 8:17) Nivory tao Jerosalema indray ny vahoaka tamin’ny andron’i Ezra. Novakiny teo anatrehan’izay “rehetra afaka mihaino ka mahazo ny hevitr’izay reny” ny boky misy ny Lalàn’i Mosesy, ary nihaino tsara izy ireo. (Ne 8:2, 3) Faly be ny vahoaka rehefa nampianatra azy ireo toy izany i Ezra sy ny Levita hafa, “satria azon’izy ireo tsara izay nambara taminy.” (Ne 8:12) Nankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo izy ireo avy eo, ary “nisy fivoriambe nanetriketrika, araka ny fitsipika momba izany” tamin’ny andro fahavalo.—Ne 8:18; Le 23:33-36.
Fivoriambe masina. Ireto avy izany: 1) Sabata izay andro “fitsaharana tanteraka” (Le 23:3), sy fotoana nivorian’ny vahoaka mba hivavaka sy hihaino ny famakiana sy fanazavana ny Tenin’Andriamanitra, toy ny natao tatỳ aoriana rehefa ‘novakina mafy tao amin’ny synagoga isan-tsabata izay nosoratan’i Mosesy’ (As 15:21); 2) ny andro voalohany sy fahafiton’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay tamin’ny Nisana, volana voalohany (Martsa-Aprily) (No 28:18, 25; Le 23:6-8); 3) ny Fetin’ireo Herinandro na Fetin’ny Fijinjana, na Pentekosta, natao ny volana fahatelo na Sivana (Mey-Jona) (Le 23:15-21); 4) ny andro voalohany sy fahafolon’ny Etanima na Tisry, volana fahafito (Septambra-Oktobra), ka Andro Fandrakofam-pahotana ilay andro fahafolo (Le 23:23-27; No 29:1, 7); ary 5) ny andro voalohan’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo nanomboka ny faha-15-n’ny volana fahafito (Etanima na Tisry), sy ny ampitson’io fety naharitra fito andro io.—Le 23:33-36.
Tsy nahazo nanao asa mafy ny vahoaka nandritra ireny “fivoriambe masina” rehetra ireny. Nilaza toy izao, ohatra, i Jehovah momba ny andro voalohany sy fahafiton’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay: “Tsy tokony hanao asa na inona na inona ianareo amin’ireo andro ireo, fa ny fikarakarana ny sakafo hohanin’ny olona tsirairay ihany no azonareo atao.” (Ek 12:15, 16) Tsy nandika an’io didy io akory ny mpisorona, rehefa nanao fanatitra ho an’i Jehovah nandritra ireo “fivoriambe masina.” (Le 23:37, 38) Tsy hoe nidonana-poana anefa ny vahoaka, na dia tsy nanao asa mafy aza nandritra ny Sabata sy ireo “fivoriambe masina.” Nifantoka tamin’ny vavaka sy ny fisaintsainana momba ny Mpamorona sy ny fikasany kosa izy ireo, ka nandray soa be dia be.
Toeram-pivoriana ny synagoga. Nanomboka nivory tao amin’ny synagoga ny Jiosy tamin’izy ireo natao sesitany tany Babylona, na taoriana kelin’izay. Nanjary nisy synagoga àry isan-tanàna, ary nisy maromaro mihitsy aza tany an-tanàn-dehibe. Sekoly natao hamakiana sy hianarana ny Soratra Masina ny synagoga. Toeram-pivavahana sy fiderana an’Andriamanitra koa izy ireny. Fanaon’i Jesosy Kristy sy ny mpianany ny nampianatra sy nampahery ny olona nivory tao. (Mt 4:23; Lk 4:16; As 13:14, 15; 17:1, 2; 18:4) Novakina tsy tapaka tao amin’ireo synagoga ny Soratra Masina, ka hoy i Jakoba tamin’ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema: ‘Efa hatramin’ny ela be i Mosesy no nanana olona isan-tanàna nitory momba azy, satria novakina mafy tao amin’ny synagoga isan-tsabata izay nosoratany.’ (As 15:21) Mitovy amin’izay natao tao amin’ireo synagoga ihany no nataon’ny Kristianina rehefa nivory tatỳ aoriana. Namaky sy nanazava ny Soratra Masina izy ireo, nifampahery, nivavaka, ary nidera an’Andriamanitra.—1Ko 14:26-33, 40; Kl 4:16; jereo SYNAGOGA.
Fivoriana kristianina. Matetika no nisy vahoaka be nivory mba hihaino an’i Jesosy Kristy ka nandray soa be dia be, toy ny tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Mt 5:1–7:29) Tsy nalamina mialoha ireny fivoriambe ireny, kanefa naharitra elaela ihany ka nilaina ny nanome sakafo ny vahoaka. Nanao fahagagana àry i Jesosy mba hanomezana izany. (Mt 14:14-21; 15:29-38) Matetika no novorin’i Kristy ny mpianany mba hampianariny. Nivory koa ny mpanara-dia azy taorian’ny nahafatesany, toy ny tamin’ny Pentekosta taona 33. Nilatsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina tamin’izay.—As 2:1-4.
Fanaon’ny Kristianina voalohany ny niara-nivory, ary vitsivitsy ihany izy ireo mazàna. “Olona maro be” koa anefa izy ireo no niara-nivory indraindray. (As 11:26) Nanoro hevitra an’ireo Israelita ara-panahy i Jakoba, rahalahin’i Jesosy, mba tsy hizaha tavan’olona ka tsy haneho fiheverana kokoa an’ireo mpanankarena tonga tamin’ny fivorian’ny (gr.: synagôge) fiangonana.—Jk 2:1-9.
Zava-dehibe ny fivoriana. Fandaharana nataon’i Jehovah mba hahazoana fampaherezana ny fivoriana, ka tena zava-dehibe ny hanatrehana azy ireny. Hita izany, ohatra, tamin’ny fetin’ny Paska fanao isan-taona. Novonoina ho faty izay lehilahy nadio tsy nankalaza azy io, nefa tsy nanao dia lavitra. (No 9:9-14) Hoy i Hezekia Mpanjaka, rehefa nanasa ny mponin’i Joda sy Israely ho any Jerosalema mba hankalaza ny Paska: “Ry taranak’Israely, miverena amin’i Jehovah ... Aza manamafy hatoka tahaka ny razanareo. Maneke kosa an’i Jehovah, ka mankanesa any amin’ny toerany masina, izay efa nohamasininy mba ho masina mandritra ny fotoana tsy voafetra. Ary manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, mba tsy hirehitra aminareo intsony ny fahatezerany. ... Fa tsara fanahy sy mamindra fo i Jehovah Andriamanitrareo, ka tsy ho izy indray no hihodina tsy hijery anareo, raha miverina aminy ianareo.” (2Ta 30:6-9) Nahafoy an’Andriamanitra izay ninia tsy nanatrika azy io. Tsy mankalaza fety toy ny Paska intsony ny Kristianina, kanefa nampirisika azy ireo i Paoly mba hivory tsy tapaka miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Hoy izy: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.”—He 10:24, 25; jereo FIANGONANA.