FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpanao Dika Soratra”
  • Mpanao Dika Soratra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpanao Dika Soratra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpitan-tsoratra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ezra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mpanora-dalàna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tena ilaintsika ve ireo soratra tany am-boalohany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpanao Dika Soratra”

MPANAO DIKA SORATRA

Olona mandika soratra, indrindra fa ny Soratra Masina, raha ao amin’ny Baiboly. Sôfer (heb.) izay midika hoe manisa sy manoratra, no nadika hoe “mpanao dika soratra.” Midika koa hoe mpitan-tsoratra izy io. (Mpts 5:14; Je 36:32; Ezk 9:2, 3) Niasa ho an’ny besinimaro ny mpitan-tsoratra ka nanoratra an’izay notononina taminy, na nanao dika soratra, na nampianatra Lalàna. Ny hoe “mpanao dika soratra” anefa no mety tsara hilazana an’izay nanao dika soratra ny Lalàna na ampahany amin’ny Soratra Masina. Anisan’izy ireo i Safana, Zadoka, ary Ezra mpisorona.​—Je 36:10; Ne 13:13; 12:26, 36.

“Tena havanana” i Ezra mpisorona “tamin’ny fanaovana dika soratra ny lalàn’i Mosesy” sady “mpanao dika soratra ny didin’i Jehovah sy ny fitsipiny ho an’ny Israely.” Niaraka tamin’ny Jiosy sasany niala tany Babylona ho any Jerosalema izy, tamin’ny taona fahafito nitondran’i Artaksersesy mpanjakan’i Persa (468 T.K.). (Ezr 7:6, 7, 11) Tamin’ny andron’i Ezra no nanomboka nalaza ireo Jiosy mpitan-tsoratra izay nanao dika soratra ny Soratra Masina. Jiosy an’arivony no nijanona tany Babylona, ary nisy hafa niely satria nifindra monina na nanao raharaham-barotra. Nasiana synagoga, na toeram-pivoriana, àry tany amin’ny toerana samihafa, izay novatsina Baiboly sora-tanana nataon’ny mpanao dika soratra. Tena nikaly an’ilay asa izy ireo.​—Jereo MPANORA-DALÀNA.

I Ezra, izay tena havanana tamin’ny fanaovana dika soratra, no namaky “ny boky misy ny lalàn’i Mosesy” tamin’ny olona tafavory tao Jerosalema. “Nifaly be” sy nandray fitahiana maro izy ireo, rehefa nanazava tsara an’izay novakina i Ezra sy ny namany.​—Ne 8.

‘Niboiboika zavatra tsara’ momba ny Mesia Mpanjaka ny fon’ny mpanao salamo, ka hoy izy: “Aoka ny lelako ho toy ny penina eny an-tanan’ny mpanao dika soratra tena mahay.” (Sl 45:1-5) Tiany ny hahay handaha-teny, satria tena zava-dehibe izay nosoratany teo ambany herin’ny fanahy masina. Tiany hisosa tsara toy ny penina eny an-tanan’ny mpanao dika soratra voaofana sy tena mahay àry ny lelany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara