FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Israely Tany Ejipta”
  • Israely Tany Ejipta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Israely Tany Ejipta
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Ejipta, Ejipsianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nifindra Nankany Ejipta ny Fianakaviana
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Josefa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Avy eo Amin’ny Safodrano Mankeo Amin’ny Fanafahana avy Tany Ejipta
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Israely Tany Ejipta”

FANAZAVANA MAHALIANA

Israely Tany Ejipta

TAPANY lehibe amin’ny Baiboly ny fitantarana ny zavatra niainan’ny razamben’ny firenen’Israely tany Ejipta, nandritra ny 200 taona mahery.

[Sary, pejy 535]

Fanaovam-biriky any Ejipta: Afangaro mololo ary hamainina amin’ny masoandro, toy ny tamin’ny andro nanandevozana ny Israelita (Ek 1:14; 5:7)

Namidy ho andevo i Josefa zanak’i Jakoba, ary nentina tany Ejipta. (Ge 37:28, 36) Nisalovana Andriamanitra taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nanjary fantatr’i Farao izy. Voatendry ho mpiandraikitra ny sakafo izy, ary nanana fahefana ambony nanarakaraka ny an’i Farao. (Ge 41:38-45) Nisy mpanjaka vaovao anefa tany Ejipta, tatỳ aoriana. Tsy mba nahafantatra an’i Josefa izy io, ka nandevoziny ny taranak’i Jakoba (Israely). (Ek 1:8-14) Tsy miresaka momba ny nanandevozana ny Israelita, na momba ny toerana ambony notanan’i Josefa mihitsy ny tantara ejipsianina. Tokony hahagaga antsika anefa ve izany?

Tsy mahagaga an’ireo mahafantatra tsara an’izay voatantara eo amin’ireo tsangambaton’i Ejipta fahiny izany. Fanaon’ny mpitondra sy ny mpitan-tsoratra ara-pivavahana tatỳ aoriana ny nanaisotra anaran’olona teo amin’ireo tsangambato natao talohany. Tsy te hahita an’ireny anarana ireny mantsy izy ireo, na te halaza kokoa fotsiny. Novan’i Horemheb Mpanjaka, ohatra, ny soratra sasany, ka nolazainy fa izy indray no nahavita an’ireo zavatra naorin’i Toutankhamon. (SARY, Boky 1, p. 532) Ahitana ohatra maro be ny amin’ny tantara tsy marina toy izany, ao amin’ny Tranombakok’i Le Caire any Ejipta sy ny Sampam-pianaran’ny Oniversiten’i Chicago Momba An’i Israely sy ny Manodidina.

Hita hoe marina kosa izay voalazan’ny Baiboly. Sarotra inoana ny ilazan’ny firenena iray hoe andevo tany an-tanin’olona ny razambeny, raha tsy marina akory izany. Misy tsipiriany maro be momba ny fiaimpiainana tany Ejipta koa ny fitantaran’ny Baiboly an’ilay fanandevozana. Tsy maintsy ho olona nipetraka tany vao afaka ny hitantara azy ireny. Mbola mankalaza ny Paska koa ny Jiosy mandraka ankehitriny. Voalazan’ny Baiboly anefa fa tany Ejipta ny razamben’izy ireo no nankalaza azy io voalohany, noho ny zava-nitranga tany. Tsy mitombina mihitsy ny filazana hoe nanjavona izay tantara marina momba izany, sy ny hoe diso ilay hany tantara mbola miresaka an’izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara