ANGELINKARY
[Heb.: hargôl].
Bibikely mpitsambikina mitovy karazana amin’ny valala, saingy misy tandroka lava be eo amin’ny faran’ny kibony. Fahita any Palestina ny angelinkary mivelona ao an-trano sy any an-tsaha. Ao amin’ny Levitikosy 11:22 ihany no miresaka an’io biby madio azo hanina io.
Eken’ny maro fa karazana bibikely mpitsambikina ilay hoe hargôl (heb.), matoa voatonona miaraka amin’ny valala. Tsy tena fantatra anefa hoe inona io bibikely mpitsambikina io. Misy mandika an’ilay hargôl hoe “valala manidina” (AT) na “angelinkary” (TV), fa indraindray ilay teny hebreo fotsiny no nogasina.—Prot., Kat., JM, DIEM.