FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kristaly”
  • Kristaly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kristaly
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahavita Be Tamiko i Jehovah
    Manova Olona ny Baiboly
  • Jaspa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • “Efa Nahita Bolivianita ve Ianareo?”
    Mifohaza!—2005
  • Harambato
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kristaly”

KRISTALY

Vato mangarahara sy madio ny kristaly resahin’ny Baiboly. Angamba izy io ilay karazana vatokaranana (quartz) tena tsy misy fangarony mihitsy, ary antsoina hoe vato kristaly, izay fitambarana silisiôma sy oksizenina. Misy lafiny enina foana izy io, ary hita saika ao amin’ny karazam-bato rehetra. Tsy misy lokony izy io ary madio toy ny fitaratra. Mafy noho ny vato maro hafa izy io, ary indraindray tefena ho vatosoa azo atao ravaka.

Azo lazaina hoe sarobidy ny ‘vato kristaly’ (heb.: gavish) tamin’ny andron’i Joba, matoa nampitoviny tamin’ny haran-dranomasina sy perla. Samy noheveriny ho tsinontsinona anefa ireo raha oharina amin’ny fahendrena. (Jb 28:18) Ampiasain’ny Apokalypsy ny hoe kristaly, dia ilay kristaly (gr.: krystallôs) madio sy mamirapiratra ary tsy misy fangarony. Voaresaka ao, ohatra, ny “ranomasina tahaka ny fitaratra sady tahaka ny kristaly.” Lazaina ao koa fa tahaka ny “vato jaspa mamirapiratra toy ny kristaly” ny famirapiratan’ilay tanàna masina na i Jerosalema Vaovao. Resahina ao koa ny ‘reniranon’ny ranon’aina mangalahala toy ny vato kristaly.’​—Ap 4:6; 21:11; 22:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara