FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Taontaonkafa”
  • Taontaonkafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Taontaonkafa
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Varevaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Fizahana Vorona — Fialam-boly Mahavariana ho An’ny Rehetra Ve?
    Mifohaza!—1998
  • Vorona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sakaizamboay
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Taontaonkafa”

TAONTAONKAFA

[Heb., mr., barborim].

Ny 1 Mpanjaka 4:23 ihany no miresaka “taontaonkafa [barborim]” (TV), izay anisan’ny sakafo naroso isan’andro tao an-dapan’i Solomona. Nadikan’ny Baiboly hafa (Prot. [1Mp 5:3], JM) hoe “vorona” ny hoe barborim, nefa toa tsy anarana iombonana izy io fa anaram-borona voafaritra tsara. Akoholahy vositra, akanga, na gisa izy io, hoy ny sasany. “Taontaonkafa” kosa izy io, hoy i W. Baumgartner, mpanao diksionera. (Hebräisches und Aramäisches Lexikon zum Alten Testament, Leyde, 1967, p. 147) Toa manamarina izany ny fiantsoan’ny Arabo an’ilay vorona hoe abou bourbour.

Mandalo any Palestina ny taontaonkafa mivolondavenona (Cuculus canorus) sy ny misy pentimpentina (Clamator glandarius) rehefa mifindra monina mianavaratra, eo am-piandohan’ny Martsa. Vorona salasalany ny taontaonkafa, hoatran’ny voromahery kely, ary maranitra mifaingoka midina ny vavany. Mivolondavenona na mivolontsôkôlà tanora, na mivolontsôkôlà somary mena, na mainty izy, ka tsy mora hita. Somary fotsy misy tsipitsipika kely mainty ny kibony matetika.

Kely loatra, hono, ny taontaonkafa ka tsy ho nohanin-dry Solomona. Na ny fody efa novolosana aza anefa namidy teny an-tsena tany Israely fahiny sy ny manodidina azy. (Mt 10:29) Efa “nafahy” koa ireo taontaonkafa vao nohanin’izy ireo. Hoy ny Rakipahalalana Amerikanina: “Matavy izy ireny rehefa fararano, ka anisan’ny hanim-py. Nankafizin’ny olona fahiny izy ireny ary azo natao fanafody, hono, ny nofony.”​—1883, Boky Faha-5, p. 557.

Tsy mpihinana fatim-biby sady tsy mpihaza ny taontaonkafa, fa mpihinana bibikely. Vorona “madio” àry izy io, araka ny Lalàna, ka nety tsara raha naroso teo an-databatr’i Solomona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara