FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kosita”
  • Kosita

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kosita
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Kosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Etiopia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Zipora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Havila
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kosita”

KOSITA

(Kosìta) [An’i Kosy (Etiopia)].

Mety ho ny mponina tany amin’ny tanin’i Kosy tany Afrika, na angamba firenena nonina tany amin’ny Saikinosin’i Arabia. Toa anisan’io firenena io i Zipora, vadin’i Mosesy. (Ek 18:1-5; No 12:1) Kenita i Zipora, saingy tsy fantatra hoe iza no razambeny. (Ge 15:18, 19; Mpts 4:11) Miresaka an’ireo Arabo “tany akaikin’ny Etiopianina [Kosita]” ny 2 Tantara 21:16. Mety hidika koa izany hoe “teo ambany fahefan’ny Etiopianina” ireo Arabo ireo, ka tsy taranak’i Kosy angamba ilay antsoina hoe “Kosita” eto. Toa nisy zanak’i Kosy vitsivitsy nanorim-ponenana tany amin’ny Saikinosin’i Arabia.​—Jereo HAVILA No. 3; SABTA.

Ny Afrikanina nonina tany amin’ilay faritra nantsoina fahiny hoe Etiopia anefa matetika no natao hoe “Kosita.” Ireto avy ny Kosita resahin’ny Baiboly: “Zera Etiopianina [Kosita]”, “Tiraka mpanjakan’i Etiopia” (2Ta 14:9; 2Mp 19:9), Ebeda-meleka (Je 38:7-12; 39:16-18), ilay tandapa etiopianina lasa Kristianina, ary Kandasy Mpanjakavavy. (As 8:26, 27) Mpihazakazaka kosita, fa tsy israelita, no nirahin’ny Jeneraly Joaba hanambara tamin’i Davida fa resy i Absaloma zanany ary maty.​—2Sa 18:19-32; jereo KOSY No. 2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara