FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Dina”
  • Dina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Dina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahita Fahasahiranana i Dina
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Sekema
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Aza Miaraka Amin’ny Naman-dratsy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Dina”

DINA

(Dìna) [Notsaraina [izany hoe afaka madiodio; voaporofo fa tsy meloka]].

Zanakavavin’i Jakoba tamin’i Lea. Teraka tany Harana izy tamin’ny rainy mbola nonina tany. Mety ho enin-taona teo ho eo izy rehefa niverina tany Kanana i Jakoba. Nanorim-ponenana tany Sokota i Jakoba taorian’izay.​—Ge 30:21, 22, 25; 31:41.

Nipetraka an-tranolay teny ivelan’ny tanànan’i Sekema i Jakoba sy ny fianakaviany, tatỳ aoriana. Efa tovovavy i Dina tamin’izay. Lasa zatra nankany amin’ireo tovovavy kananita izy. Tena hadalana mihitsy izany! Nitsidika azy ireo toy ny fanaony izy indray andro, ka nametaveta azy i Sekema zanak’i Hamora mpiadidy teo amin’ny Hivita. Raiki-pitia tamin’i Dina i Sekema, ka nipetraka tao aminy foana i Dina. Tsy niala tao izy raha tsy efa tonga hamaly faty i Simeona sy Levy, anadahiny iray tam-po aminy. (Ge 34:1-31) Misy milaza fa mbola ankizikely i Dina rehefa nametaveta azy i Sekema. Tsy izany anefa no izy satria talohan’ny nipetrahan’i Jakoba tao Sekema dia efa nipetraka naharitraritra tao Sokota izy matoa nahaorina trano sy trano rantsankazo tao. (Ge 33:17) Rehefa tonga tao Sekema i Jakoba dia nividy sombin-tany tao, ary toa nipetraka elaela tao. Voalaza koa fa ‘zazavavy’ i Dina tamin’i Sekema raiki-pitia taminy. Marina fa tanora vao herotrerony i Dina tamin’izy niaraka tamin’i Sekema, nefa tsy ankizikely mihitsy izy tamin’izay.​—Ge 33:18, 19; 34:12.

Anisan’ireo niaraka tamin’ny ankohonan’i Jakoba nankany Ejipta i Dina, tatỳ aoriana, rehefa nasain’i Josefa nankany ry Jakoba mianakavy.​—Ge 46:7, 15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara