FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ebeda-meleka”
  • Ebeda-meleka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ebeda-meleka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpamaly Soa An’izay Manompo Azy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Be Herim-po sy Tsara Fanahy i Ebeda-meleka
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Iza no Namana Fidinao?
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • Hamaly ny Tsirairay Araka Izay Nataony avy i Jehovah
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ebeda-meleka”

EBEDA-MELEKA

(Ebèda-melèka) [Mpanompon’ny Mpanjaka].

Etiopianina, tandapa tao an-tranon’i Zedekia Mpanjaka. Nasehony tamin’ny nataony fa tena nanohana an’i Jeremia mpaminanin’i Jehovah izy. Nendrikendrehin’ny andrianan’i Joda i Jeremia hoe mampirisika ny olona hikomy. Natolotr’i Zedekia teo an-tanan’izy ireo àry ilay mpaminany. Nalain’ireo andriana i Jeremia ka nataony tao amin’ny lavaka fanangonan-dranon’i Malkia, tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina. Natsipin’izy ireo tao amin’io lavaka feno fotaka io izy mba ho faty mosary tao. (Je 38:4-6) Tena nankahala an’i Jeremia sy ny hafatra nentiny ny olona. Nisikina herim-po anefa i Ebeda-meleka ka tsy niafinafina nangataka ny hanafahana an’i Jeremia, tany amin’ny mpanjaka, izay nipetraka teo amin’ny Vavahadin’i Benjamina. Neken’i Zedekia ny fangatahany. Nankatò ny baikon’ny mpanjaka i Ebeda-meleka, ka niaraka tamin’ny 30 lahy nankany amin’ilay lavaka, ary nandatsaka tady nisy voro-damba sy tapa-damba tonta hataon’i Jeremia ao ambany helika, mba hahafahana hisintona azy avy tao. (Je 38:7-13) Tsy hoe nilana lehilahy maro ny fampiakarana an’i Jeremia avy tao matoa i Ebeda-meleka nasain’ny mpanjaka niaraka tamin’ny 30 lahy, fa mba hahavitany tsara ilay fanafahana, raha sanatria ka mitady hanakantsakana izany ny andriana na ny mpisorona. Nanao soa tamin’ny mpaminanin’Andriamanitra i Ebeda-meleka ka naniraka an’i Jeremia i Jehovah mba hanome toky azy hoe hanafaka azy i Jehovah, ka tsy ho faty izy rehefa hanao fahirano ny Babylonianina.​—Je 39:15-18; jereo LEHILAHY NOVOSIRINA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara