HAZOMAINTY
[Heb.: hôvnim].
Ny hazo Diospyros ebenum na ny iray karazana aminy, hono, izy io. Hazo mijoalajoala izy io, tsotra ny raviny, ary miendrika lakolosy ny voninkazony. Malemy sy fotsy ny eo anelanelan’ny hodiny sy ny atiny. Mafy be, malamalama, ary mateza kosa ny atiny mainty na volontsôkôlà. Misy mahatratra 50 sm eo ho eo ny savaivony, ary tsara be izy io rehefa lamaina. Mety tsara hanaovana fanaka tsara tarehy sy haingo àry izy io, na azo atao sokitra voaravaka ivoara. Nanaovana sampy koa izy io.
Entam-barotra ny hazomainty, hoy ny Ezekiela 27:15, izay hany andininy miresaka azy io. Avy any Inde sy Sri Lanka, hono, izy io sy ny ivoara, ary angamba nentina namakivaky ny Ranomasin’i Arabia sy ny Ranomasina Mena vao nentina an-tanety. Mety ho avy any Nobia any Afrika Avaratratsinanana koa anefa ny hazomainty. Tena tian’ny Ejipsianina fahiny izy io, ary nahitana zavatra vita taminy tao amin’ny fasan’izy ireo.