FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ekbatana”
  • Ekbatana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ekbatana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fizarana 4: Ny Empira mediana sy persiana: Herim-panjakana fahefatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Dariosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanjakana Medianina-Persianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 4
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ekbatana”

EKBATANA

(Ekbatàna).

Renivohitr’i Media fahiny, nanomboka tamin’ny 700 T.K. tany ho any. Resin’i Kyrosy II mpanjakan’i Persa i Astyage mpanjakan’i Media, ka lasany i Ekbatana. Nitambatra ho tafika iray teo ambany fahefan’i Kyrosy avy eo ny Medianina sy Persianina. Resahin’ny Baiboly fa tao amin’ny faritanin’i Media i Ekbatana, tamin’ny andron’i Dariosy I (Hystaspe) mpanjaka persianina.​—Ezr 6:1, 2.

“Ekbatana” no nandikana ny anaran’ilay tanàna ao amin’ny Ezra 6:2. Mitovitovy amin’izany mantsy ny ao amin’ny Vulgate latinina sy ny boky grika lazaina fa anisan’ny Baiboly nefa tsy izy, izay nampidirina ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. “Akmeta” kosa no ilazan’ny soratra nataon’ny Masoreta sy ny Peshitta syriàka azy (toy izany koa ny ao amin’ny Prot. sy DIEM). Toa tanàna maromaro no nantsoin’ny mpanoratra grika fahiny hoe Ekbatana. Miombon-kevitra anefa ireo manam-pahaizana fa i Hamadàna, foibe ara-barotra lehibe any Iran ankehitriny, io Ekbatana (Ezr 6:2) resin’i Kyrosy io. Eo am-pototry ny Tendrombohitra Elvend izy io, 290 km eo ho eo any andrefana atsimoandrefan’i Téhéran. Tanàn-dehibe nandalovan’ny lalambe avy tany Mezopotamia nankany atsinanana i Ekbatana fahiny. Misy lalana maro koa mamakivaky an’i Hamadàna ankehitriny, toy ilay avy any Bagdad mankany Téhéran.

Nisy manam-pahefana nanontany an’ireo Jiosy hoe iza no nanome alalana azy ireo hanorina indray ilay tempoly, tamin’ny andron’i Zerobabela. Nandefa taratasy tany amin’i Dariosy I mpanjakan’i Persa ireo mpanohitra ireo avy eo, ka nangataka porofo raha tena namoaka didy momba izany tokoa i Kyrosy. (Ezr 5:1-17) Nampanao fikarohana i Dariosy, ary hita tao Ekbatana ilay didy. Tena ara-dalàna àry ilay asa fanorenana. Nanome baiko i Dariosy hoe tsy tokony hosakantsakanana ilay asa, ary nodidiany koa ireo mpanohitra mba hanome izay nilain’ny Jiosy. “Nanaraka avy hatrany” ny tenin’i Dariosy àry izy ireo. Vita ihany ilay tempoly “tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara, tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy Mpanjaka”, na tamin’ny lohataonan’ny 515 T.K. tany ho any.​—Ezr 6:6-15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara