ELOLA
(Elòla).
Volana jiosy faha-6 tamin’ny kalandrie ara-pivavahana, taorian’ny sesitany, fa faha-12 kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana, ary mifanitsy amin’ny faramparan’ny Aogositra sy voalohandohan’ny Septambra. Tsy fantatra ny tena dikan’ny hoe Elola.
Masaka ny antrendry sy ny aviavy vokatra farany tamin’io volana namarana ny vanin-taona mafana io. Efa nioty voaloboka koa ny olona, ary nanomboka nikoriana ny divay vaovao rehefa hifarana ilay volana.—Le 26:5; No 13:23; Je 8:13.
Tamin’ny volana Elola no voaorina indray ny mandan’i Jerosalema, izay vitan’i Nehemia tao anatin’ny 52 andro. (Ne 6:15) Volana fahenina fotsiny no iantsoana azy io any amin’ny andininy hafa.—1Ta 27:9; Ezk 8:1; Hg 1:1, 15.
Nataon’ny Babylonianina volana fanampiny tsindraindray ny Elola sy Adara, araka ny tabilao nataon’i Parker sy Dubberstein ao amin’ny Fanisan-taona Babylonianina, 626 T.K.–75 A.K. (1971, p. 27-47).