EMEKA-KEZIZA
(Emèka-kezìza) [Lemaka Iva Fandringanana].
Tanàna benjamita. (Js 18:21) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy io. Mety ho teny akaikin’ny Lohasahan’i Jordana anefa no nisy azy io rehefa jerena ny dikan’ny anaran’ilay tanàna, sy ny toerana nisy an’ireo tanàna notononina niaraka taminy foana (i Jeriko sy Beti-hogla, ary Beti-araba, izay samy teo amin’ny Lohasahan’i Jordana).