FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tanana, Fenoina Fahefana”
  • Tanana, Fenoina Fahefana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tanana, Fenoina Fahefana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fametrahana Mpisorona eo Amin’ny Toerany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mpisorona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Arona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanatitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tanana, Fenoina Fahefana”

TANANA, FENOINA FAHEFANA

Nadikan’ny Baiboly maro hoe “manokana; fanokanana” ny teny hebreo hoe milleʼ yad (a.b.t.: mameno ny tanana), ary ilazana fanomezana fahefana feno an’ireo ho mpisorona. Nomena fahefana ho mpisoron’i Jehovah i Arona sy ny zanany lahy, rehefa napetraka teo amin’ny toerany. (Ek 28:41, f.a.p.; 29:9, f.a.p.; Le 8:33, f.a.p.; 16:32, f.a.p.; 21:10, f.a.p.; No 3:3, f.a.p.) Nisy ondry natao sorona tamin’izay. Norasarasaina ilay izy, ary nisy ampahany nataon’i Mosesy teo amin’ny felatanan’i Arona sy ny zanany niaraka tamin’ny mofo sasany avy tao anatin’ny harona fasiana mofo tsy misy lalivay. Nahetsiketsik’izy ireo teo anatrehan’i Jehovah izy ireny, ary avy eo nodorana mba hidona-tsetroka teo ambony alitara, teo ambony fanatitra dorana.​—Ek 29:19-25; Le 8:22-28; jereo FAMETRAHANA MPISORONA EO AMIN’NY TOERANY; MPISORONA; VOAHOSOTRA, FANOSORANA.

I Mika mpanompo sampy koa mba nanome fahefana ny zanany sy ny Levita iray ho mpisorona tao amin’ny ‘tranon’andriamaniny.’ (Mpts 17:5, 12) Olona avy tamin’ny sarambabem-bahoaka kosa no notendren’i Jeroboama Mpanjaka ho mpisorona, rehefa nanao zanak’omby hivavahana izy. Noroahiny tsy ho ao amin’ny faritry ny fanjakan’ny foko folo àry ny mpisorona taranak’i Arona sy ny Levita mbola nanompo an’i Jehovah tany Jerosalema.​—1Mp 12:31; 13:33; 2Ta 13:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara