FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Asa An-terivozona”
  • Asa An-terivozona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Asa An-terivozona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Adonirama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hadorama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ahoana ‘Raha Teren’ny Manam-pahefana’ Hanao Zavatra Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Adorama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Asa An-terivozona”

ASA AN-TERIVOZONA

Maro no nampanaovina “asa an-terivozona” (heb.: mas) fahiny. Matetika mantsy no natao andevo ny firenena resy. (Js 16:10; 17:13; Es 10:1; Is 31:8; Ft 1:1) Nampanaovin’ny Ejipsianina asa an-terivozona sy nampahoriny ny Israelita, ka nasainy nanorina an’ireo tanànan’i Pitoma sy Ramesesa (fitehirizana entana sy vokatra). (Ek 1:11-14) Tsy narahin’ny Israelita ny didin’i Jehovah ka tsy noroahiny sy tsy naringany ny mponina rehetra tao Kanana, rehefa niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Notereny hanao asa an-terivozona kosa ny Kananita. Inona no vokany? Voataona hanompo andriamani-diso ny Israelita. (Js 16:10; Mpts 1:28; 2:3, 11, 12) Nampanantsoin’i Solomona Mpanjaka hanao asa an-terivozona ny taranaky ny Kananita, dia ny Amorita, Hetita, Perizita, Hivita, ary Jebosita.​—1Mp 9:20, 21.

Voantso hanao asa maika na hamita tetikasa tsy azo navela hitarazoka ny Israelita indraindray. Naminany i Jakoba tamin’izy efa ho faty fa hampanaovina asa an-terivozona toy izany ny fokon’i Isakara zanany. (Ge 49:15) Lehilahy israelita 30 000 no nantsoin’i Solomona hanorina ny tempoly. Tsy toy ny andevo anefa izy ireo, satria 10 000 isam-bolana no niara-nalefany tany Libanona. Niasa iray volana izy ireo, ary nijanona roa volana tany an-tranony, saingy toa tsy nahafaly ny Israelita ilay asa an-terivozona. Tsy nanaiky hanamaivana an’ilay zioga mavesatra nampitondrain’i Solomona anefa i Rehoboama. Nirahiny kosa i Adorama (Hadorama, Adonirama) hampanao fanompoana azy ireo. Notorahan’izy ireo vato anefa i Adorama, izay mety ho efa be taona satria efa tamin’ny andron’i Davida izy no niandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana.​—2Sa 20:24; 1Mp 4:6; 5:13, 14; 12:14, 18; 2Ta 10:18.

Mora nidi-trosa ny Israelita kamo, ka voatery nivarotra ny lovany ary nivarotra ny tenany ho mpanompo. Hoy àry ny Ohabolana 12:24: ‘Ny kamo no hanao asa an-terivozona.’

Jereo FANOMPOANA TSY MAINTSY ATAO.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara