FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fehiloha eo Amin’ny Handrina”
  • Fehiloha eo Amin’ny Handrina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fehiloha eo Amin’ny Handrina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Boaty Misy Andininy ao Amin’ny Soratra Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fylakitera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Oharina Amin’ny Valala Ireo Misionera
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fehiloha eo Amin’ny Handrina”

FEHILOHA EO AMIN’NY HANDRINA

Nodidiana ‘hamatotra ny lalàn’Andriamanitra ho famantarana eo amin’ny tanany’ ny Israelita, sy hanao azy io ho ‘fehiloha eo amin’ny handriny.’ Tsy tokony horaisina ara-bakiteny anefa izany. (De 6:6-8; 11:18) Marina fa nasaina nasiana mikiramborambo ny morontongotr’akanjon’izy ireo, mba hahatsiarovany ny didin’Andriamanitra. (No 15:38-40) An’ohatra anefa ilay “famantarana” sy “fehiloha”, satria hoy Andriamanitra tamin’ireo Israelita nodidiany hahatsiaro ny nanafahana azy ireo: “Ho famantarana eo amin’ny tananao [ilay fankalazana] sady ho fahatsiarovana eo amin’ny handrinao” ary “ho fehiloha eo amin’ny handrinao.”​—Ek 13:9, 14-16.

Inona no dikan’ny hoe nataon’ny Israelita fehiloha teo amin’ny handriny ny lalàn’Andriamanitra?

Toa te hilaza i Jehovah fa tokony hotsaroan’izy ireo foana ny Lalàna ary tokony harahiny an-tsakany sy an-davany, toy ny hoe nosoratana tamin’ny takelaka teo amin’ny handriny sy toy ny famantarana teo amin’ny tanany, mba hotadidiny foana na inona na inona nojereny na nataony. Lasa fombafomba fotsiny anefa ny fivavahan’ny Jiosy taorian’ny nodiany avy tany Babylona sady nanaraka fomban-drazana izy ireo (Mt 15:3, 9), ka nampihariny ara-bakiteny io lalàna io. Nampiasa hodi-biby malefaka misy andinin-teny efatra izy ireo, dia ny Eksodosy 13:1-10, 11-16, Deoteronomia 6:4-9 ary 11:13-21. Nahorongorona tao anaty boaty kely vita tamin’ny hodi-janak’omby izy ireny tatỳ aoriana, ary nafatotra teo amin’ny handrina sy ny tanana havia. Nitondra azy ireny ny lehilahy jiosy nandritra ny vavaka maraina, afa-tsy rehefa fety sy Sabata.

Niteny mafy an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy i Jesosy Kristy satria nohalehibeazin’izy ireo ny boaty nataony ody fiarovan-tena, izay misy andininy ao amin’ny Soratra Masina, mba ho hita hoe olo-marina izy ireo. (Mt 23:2, 5) Anarana hafa iantsoana an’ireny boaty ireny ny hoe “fylakitera” (Prot.), izay avy amin’ny teny grika hoe fylakteriôn midika hoe toby mpitily, manda, fiarovana. Natao ody fiaro àry izy ireny.

[Sary, pejy 783]

Fylakitera nafatotry ny Jiosy teo amin’ny tanany noho izy ireo nampihatra ara-bakiteny ny lalàn’i Jehovah

Milaza anefa ny Baiboly hoe ny fo no tokony harovana. Tsy ilaina koa ny miseho ho olona tsara na mpivavaka be. (Mt 23:27, 28; Oh 4:23) Tsy ny fitondrana andinin-teny eny amin’ny vatana no miaro sy tena mahasoa, fa ny fahendrena sy fahaiza-misaina ary fahiratan-tsaina.​—Oh 3:21, 22; 4:7-9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara