FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fanjakana Nanodidina ny Israely”
  • Fanjakana Nanodidina ny Israely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanjakana Nanodidina ny Israely
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Firenena Nanafika ny Israely
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Moaba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ireo Fiangonana Resahin’ny Apokalypsy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mesa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fanjakana Nanodidina ny Israely”

FANAZAVANA MAHALIANA

Fanjakana Nanodidina ny Israely

EFA nialan’ny Israelita i Ejipta, izay firenena nivavaka tamin’ny biby. Tao amin’ilay tany nomen’Andriamanitra azy izy ireo izao, nefa nanompo sampy daholo ireo firenena nanodidina azy. Anisan’izany i Amona sy Moaba ary Edoma havany lavitra, izay tany atsinanany sy tany atsimoatsinanany. Ny Filistinina mpivavaka tamin’andriamanitra maro kosa no tany amin’ilay lemaka amoron-tsiraka tany andrefana. Ny Fenisianina indray no tany amin’ny morontsiraka avaratra. Nanao firaisana tamin-dehilahy ny lehilahy, ary nanao firaisana tamin’ny biby ny olona tany sady nanao sorona ankizy rehefa nivavaka. Ny Syrianina kosa nivavaka tamin’ny sarin’andriamanibavy niboridana, izay hita hoe fanindrahindrana firaisana. Tsy maintsy nisaraka tamin’ireo firenena nanodidina ireo àry ny Israely, raha te hankasitrahan’i Jehovah foana.

Nomen’i Jehovah azy ny Lalàn’i Mosesy mba hiarovana azy. Toy ny ‘rindrina nanasaraka’ azy tamin’ny firenena nanodidina izy io. (Ef 2:14) Tsy tokony hanao fifanekena amin’ireny ny Israely, na hifanambady aminy, na hanaraka ny fivavahany. (2Ta 16:7; 2Mp 17:13-15) Vahoaka masina ny Israely raha mbola nankatò an’ireo lalàna ireo.

Afaka nanompo an’ilay tena Andriamanitra anefa ny olona avy tamin’ireo firenena nanodidina, raha tsy nanompo sampy intsony, satria “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.” (As 10:34) Sady tsy navelany hiharoharo tamin’ny firenen-kafa ny Israely, no nataony izay hahazoan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra fitahiana.​—Ge 22:18.

FIRENENA NANODIDINA: Andinin-teny misy azy

Amona

Mpts 10:6-9; 1Mp 11:5

Edoma

2Ta 25:14, 15

Moaba

No 22:4-7; 25:1-3; 2Mp 3:26, 27

Filistia

Mpts 10:6; 16:23; 2Mp 1:2

Fenisia

1Mp 11:1, 2, 5; 16:30, 31

Syria

Mpts 10:6; 2Ta 28:20-23

[Sary, pejy 945]

SARITANY: Fanjakana Nanodidina ny Israely

[Sary, pejy 946]

Nonina tany amin’ny faritra be havoana tany atsinanan’ny Ranomasina Maty ny Moabita.

[Sary, pejy 946]

Vato Moabita: Manindrahindra an’i Kemosy andriamaniny i Mesa Mpanjaka ao, ary manamavo an’i Jehovah

[Sary, pejy 946]

Anubis, andriamanitra ejipsianina manana lohana alikadia, manomana faty hotehirizina tsy ho lo. Olona sy vorona ary biby no andriamanitr’i Ejipta

[Sary, pejy 946]

Nivavaka tamin’andriamanitra toy ilay mijoro eo ambony liona io ny Fenisianina, izay nonina tamin’ity faritra amoron-tsiraka atsinanan’ny Mediterane ity

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara