FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fanjakana Asyrianina”
  • Fanjakana Asyrianina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanjakana Asyrianina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fizarana 2: Asyria lozabe: Herim-panjakana faharoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Asyria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 2
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fanjakana Asyrianina”

FANAZAVANA MAHALIANA

Fanjakana Asyrianina

FIRENENA mpiady ny Asyrianina, ary matetika no nampijalijaly tamin’ny fomba mahatsiravina an’ireo olona azony babo. Anisan’ny nanan-kery be teo amin’ny fiainan’izy ireo ny fivavahana, ary ny ady no fomba tena nanehoany izany. Hoy ilay mpahay tantara W. Bright: “Raharaham-pirenena ny ady, ary tsy nitsahatra nampirisika hiady ny mpisorona. Ny zavatra azo babo no tena nanohanana ny asan’izy ireo. Nisy ampahany efa voafaritra tsara natokana ho azy ireo, izay vao nomena ny anjarany ny hafa. Mpivavaka be mantsy io firenena mpandroba io.”​—Tanàna Fahiny, 1886, p. 25.

Resahin’ny Baiboly sy ny tantara fa nifandray matetika i Israely sy Asyria. Voatery nandoa hetra tamin’ny mpanjakan’i Asyria, ohatra, i Israely. Resin’ny Asyrianina i Samaria, renivohitry ny fanjakana tany avaratra, tamin’ny 740 T.K., ka an’arivony ny Israelita natao sesitany. Efa tena tafahoatra ny faharatsian’ny Israely nivadi-pinoana, matoa izany navelan’i Jehovah hitranga! Naripaky ny anjelin’i Jehovah tao anatin’ny indray alina monja anefa ny miaramila asyrianina 185 000, rehefa nitady haka an’i Jerosalema koa i Sankeriba. (Is 36:1–37:38) Rava tanteraka i Asyria tatỳ aoriana, araka ny efa nolazain’ny mpaminanin’i Jehovah, ka i Babylona indray no lasa firenena natanjaka indrindra.​—Is 23:13; Ze 2:13.

TANÀNA LEHIBE

Ninive: Ny tena renivohitr’ilay fanjakana, ary nataon’i Sankeriba tena tsara tarehy, saingy “tanàna mpandatsa-dra.”​—Na 3:1.

Kala: Nantsoina hoe Nimroud tatỳ aoriana; nisy ny lapan’ilay mpanjaka Asoronasirpala II sy ny foiben’ny tafiny

Korsabada: Renivohitra kely naorin’i Sargona II, saingy tsy nonenana intsony raha vao maty izy

Asyra: Foiben’ny fivavahana asyrianina taloha; nilaza i Sankeriba fa nisy tempoly 34 tao

Babylona: Foiben’ny varotra sy ny raharaham-panjakana tany amin’ny faritra atsimon’i Mezopotamia

[Sary, pejy 954]

SARITANY: Fanjakana Asyrianina

[Sary, pejy 955]

Sary hoso-doko nataon’i A. Layard, mpikaroka, ahitana ny hakanton’ny lapan’ny mpanjaka Asoronasirpala II tao Nimroud (Kala)

[Sary, pejy 955]

Nandravaka ny lapan’i Sargona II ity ombilahy goavam-be manan’elatra sy lohan’olona ity

[Sary, pejy 955]

Avy amin’ny rindrin’ny lapan’i Asoronasirpala II tao Nimroud. Anisan’ny fialam-bolin’ny mpanjaka asyrianina ny mihaza liona; nantsoina hoe “toeran’ny liona” i Ninive (Na 2:11)

[Sary, pejy 956]

Sarin’ny mpanjaka Asoronasirpala II ao an-dapa miaraka amin’ny mpanompony sy anjely mpiaro, nalaina avy tao amin’ilay lapa tao Nimroud (Tranombakoka Britanika). Nitana toerana lehibe teo amin’ny politika asyrianina ny fivavahana

[Sary, pejy 956]

Mpanjaka Asoronasirpala II handeha hiady; manidina eo anoloany ny andriamaniny sady mandefa zana-tsipìka (Tranombakoka Britanika)

[Sary, pejy 956]

Mpanjaka Asoronasirpala II sy ny famantarana an’ireo andriamaniny: Ilay fiarovan-doha misy tandroka no Asyra; ilay boribory misy elatra no Shamash, andriamanitra masoandro; ilay tsinam-bolana no Sîn, andriamanitra volana; ilay toy ny tandroka no tselatr’i Adad; ary ilay kintana no Ishtar

[Sary, pejy 957]

Solontenan’i Sankeriba mihantsy an’i Jehovah ary mandidy ny mponin’i Jerosalema hitolo-batana

[Sary, pejy 957]

Iraizotongotri Sankeriba (Iraizotongotri Taylor ao aminʼny Tranombakoka Britanika); anisanʼny asa soratra farany nosoratanʼilay mpanjaka. Mieboebo erỳ izy fa nanafika an’i Joda saingy tsy noresahiny mihitsy ny loza nanjo ny miaramilany

[Sary, pejy 958]

Lozabe ny Asyrianina araka ireto sary amin’ny rindrin’ny lapany ireto: Havia, Kaldeanina endahana hoditra nefa mbola velona ary esorina ny lelany. Ambany sy havanana, babo avy any Lakisy endahana hoditra nefa mbola velona ary fantsihana eo aminʼny tsato-kazo

[Sary, pejy 958]

Lasa ‘aolo ny tanànan’i’ Ninive (ilay dongon-tany Koyonjik io aloha io), araka ny faminanian’ny Baiboly. (Na 2:10)

[Sary, pejy 958]

Mitantara amin’ny an-tsipiriany ny nandroban’ny Babylonianina an’io tanàn-dehibe fahiny io, ny takelaka iray (ny Tantaran’i Babylona T.B. [Tranombakoka Britanika] 21901, antsoina koa hoe ny Tantara Nadikan’i Gadd na ny Tantara Momba ny Nandravana an’i Ninive)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara