FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Andriamanitra”
  • Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andriamanitra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Herin’Andriamanitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Inona no lazain’ny Baiboly ny amin’Andriamanitra sy Jesosy?
    Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
  • Foto-dresaka Ara-baiboly
    Foto-dresaka Ara-baiboly
  • Jehovah
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Andriamanitra”

ANDRIAMANITRA

Izay rehetra ivavahan’ny olona no atao hoe andriamanitra, satria heveriny ho ambony noho izy ka ankamasininy. Mety hataon’ny olona ho andriamaniny koa aza ny kibony. (Ro 16:18; Fi 3:18, 19) Milaza ny Baiboly fa misy andriamanitra maro (Sl 86:8; 1Ko 8:5, 6), saingy andriamanitra tsy misy dikany ny andriamanitry ny firenena.​—Sl 96:5; jereo ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY.

Teny hebreo. Anisan’ny teny hebreo nadika hoe “Andriamanitra” ny hoe ʼEl, izay mety hidika hoe “Ilay Mahery; Ilay Matanjaka.” (Ge 14:18) Ilazana an’i Jehovah na andriamani-kafa na olona izy io. Maro koa ny anaran’olona misy hoe ʼEl, toy ny hoe Elisa (midika hoe “Andriamanitra dia Famonjena”) sy Mikaela (“Iza no Tahaka An’Andriamanitra?”). Misy mpanoritra voafaritra ilay ʼEl indraindray (haʼEl, midika ara-bakiteny hoe “ilay Andriamanitra”), mba hilazana an’i Jehovah sy hanavahana azy amin’ny andriamani-kafa.​—Ge 46:3; 2Sa 22:31; jereo Fanazavana Fanampiny (TV), p. 1861.

ʼEl Gibbôhr na “Andriamanitra Mahery” no ilazan’ny Isaia 9:6 an’i Jesosy Kristy (fa tsy ʼEl Shaddai [Andriamanitra Mahery Indrindra] izay ilazana an’i Jehovah ao amin’ny Genesisy 17:1).

Ny teny hebreo ʼelim amin’ny endriny milaza maro no ilazana an’ireo andriamani-kafa, toy ny ao amin’ny Eksodosy 15:11 (“ireo andriamanitra”). Ilazana fahamboniana sy fahatsarana koa izy io, toy ny ao amin’ny Salamo 89:6 manao hoe: “Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra [biveneh ʼElim] no mitovy amin’i Jehovah?” Andriamanitra iray ihany no resahin’io andininy io sy ny maro hafa, matoa izy io nadika hoe Teôs amin’ny endriny milaza tokana ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ary hoe Deus ao amin’ny Vulgate latinina.

Toa avy amin’ny fototeny midika hoe “mahery” ilay teny hebreo ʼelôhim (ireo andriamanitra), izay endriny milaza maro amin’ny hoe ʼelôhah (andriamanitra). Ilazana andriamanitra maromaro ny ʼelôhim indraindray (Ge 31:30, 32; 35:2), nefa matetika kokoa no ilazana fahamboniana sy voninahitra na fahatsarana. I Jehovah, na anjely, na andriamanitra sampy (iray na maro), na olona no lazain’ny Baiboly hoe ʼelôhim.

ʼElôhim no ilazana an’i Jehovah, noho izy ambony sy be voninahitra ary faran’izay tsara. (Ge 1:1) Hoy i Aaron Ember: “Raha ny teny ao amin’ny Test[amenta] T[aloha] no jerena, dia tsy milaza maro mihitsy ny ... [ʼElôhim] (rehefa ampiharina amin’ilay Andriamanitry ny Israely). Saika matoanteny sy mpamari-toetra amin’ny endriny milaza tokana foana mantsy no ampiarahina aminy. ... Teny amin’ny endriny milaza maro ho fanamafisan-kevitra ... ny [ʼElôhim], ary manasongadina ny fahalehibeazana sy ny fahamboniana, ka mety tsara mba hilazana an’Ilay Andriamanitra Lehibe.”​—Gazetiboky Amerikanina Momba ny Teny sy ny Haisoratra Semitika, Boky Faha-21, 1905, p. 208.

Asehon’ilay hoe ʼElôhim fa mahery i Jehovah Mpamorona. Miverina in-35 io teny io ao amin’ny fitantarana momba ny famoronana, ary amin’ny endriny milaza tokana foana ny matoanteny ilazana ny zavatra nolazain’i Jehovah sy nataony. (Ge 1:1–2:4) Eo am-pelatanany ny hery rehetra ary tsy manam-petra ny heriny.

Atao hoe ʼelôhim koa ny anjely ao amin’ny Salamo 8:5, ary hamafisin’i Paoly izany ao amin’ny Hebreo 2:6-8. Antsoina hoe beneh haʼElôhim na “zanak’Andriamanitra” (Prot., TV) izy ireo, ao amin’ny Genesisy 6:2, 4; Joba 1:6; 2:1. Hoy ny diksioneran’i Koehler sy Baumgartner eo amin’ny pejy faha-134, momba ny hoe ʼelôhim: “(ireo) andriamanitra.” Toy izany koa ny eo amin’ny pejy faha-51, izay ahitana ny Genesisy 6:2; Joba 1:6; 2:1; 38:7. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, 1958) Nadika hoe “ireo andriamanitra” (TV) àry ny hoe ʼelôhim ao amin’ny Salamo 8:5 (“anjely”, 8:6, DIEM).

Ilazana an’ireo andriamanitra sampy koa ny hoe ʼelôhim, ary midika fotsiny indraindray hoe ireo “andriamanitra.” (Ek 12:12; 20:23) Ilazana ny fahatsaran’ny andriamanitra (na andriamanibavy) iray koa anefa izy io. Tsy andriamanitra telo izay iray akory ireny andriamanitra ireny.​—1Sa 5:7b (Dagona); 1Mp 11:5 (Astarta ‘andriamanibavy’); Da 1:2b (Mardoka).

Mpitsara teo amin’ny Israely ny ʼelôhim, ao amin’ny Salamo 82:1, 6. Naverin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 10:34, 35 io salamo io. Lazaina fa andriamanitra ireo mpitsara satria solontenan’i Jehovah sy mpitondra teniny. Nilazana koa i Mosesy fa ho “Andriamanitra” eo anatrehan’i Arona sy Farao izy.​—Ek 4:16; 7:1.

Ialohavan’ny mpanoritra voafaritra ha ny ʼElôhim, ao amin’ny andininy maro. (Ge 5:22) Hoy i F. Zorell momba ny hoe haʼElôhim: “Ao amin’ny Soratra Masina, dia i Jahve, ilay hany tena Andriamanitra, no tiana holazaina amin’io teny io; ... ‘I Jahve no [hany tena] Andriamanitra’ De 4:35, 39; Js 22:34; 2Sa 7:28; 1Mp 8:60, sns.”​—Lexicon Hebraicum Veteris Testamenti, Roma, 1984, p. 54; izy no nanao ny fononteny mahitsy.

Miaraka ny hoe ʼEl (“Andriamanitra” amin’ny endriny milaza tokana) sy hoe ʼElôhim (“Andriamanitra” amin’ny endriny milaza maro ary ilazana fahatsarana), ao amin’ny andininy sasany ao amin’ny Soratra Hebreo. Ahitana hoe ʼEl ʼElôhim Yehvah, ohatra, ao amin’ny Josoa 22:22 sy Salamo 50:1. Misy Baiboly mandika ny ʼEl ʼElôhim hoe “Andriamanitra, Elohima” (Sl 50:1, Kat.). Misy kosa manao azy io hoe “Andriamanitry ny andriamanitra” (DIEM) ao amin’ny Josoa 22:22, na hoe “Ny Tsitoha, Andriamanitra” (Kat.), “Ilay Mahery, ilay Andriamanitra” (TV), ka ireo roa farany ireo no dikan-teny marina kokoa.

Teny grika. Teôs no teny grika mifanitsy amin’ny hoe ʼEl sy ʼElôhim ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ka nadika hoe “Andriamanitra” na “andriamanitra” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.

Misy teny vitsivitsy avy amin’ny hoe teôs (andriamanitra) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, toy ny hoe teiôs, teiôtes, teôtes ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:29, Romanina 1:20, Kolosianina 2:9, ary 2 Petera 1:3, 4.

Nilaza i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:29, tamin’izy tany Atena, fa tsy tokony hihevitra “an’Andriamanitra [tô teiôn, endriny hafa amin’ny hoe teiôs] ho tahaka ny volamena na volafotsy na vato” ny olona. Misy mandika an’ilay tô teiôn hoe “fomban’Andriamanitra” (Prot., Kat.), na “ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra” (JM). Manazava Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena fa avy amin’ny mpamari-toetra teiôs, midika hoe ‘momba an’Andriamanitra’, ‘araka an’Andriamanitra’, ny hoe tô teiôn. (Nataon’i G. Bromiley, 1979, Boky 1, p. 913) Hita ao amin’ny Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott kosa fa “Andriamanitra” no dikan’io teny io. (Nohavaozin’i H. Jones, Oxford, 1968, p. 787, 788) Mety hilazana an’Andriamanitra na ny toetrany àry ny hoe tô teiôn, ka ny teny manodidina no ahafantaran’ny mpandika teny hoe inona no izy. Asehon’ny teny manodidina ny Asan’ny Apostoly 17:29 anefa fa Andriamanitra no tiana horesahina eo. Mety àry ny nandikana azy hoe “Andriamanitra” ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.​—Ampit. DIEM.

Resahin’ny Romanina 1:20 fa tsy azo lavina ny porofon’ny fisian’Andriamanitra, na ny “toetrany tsy hita maso”, indrindra fa ny “heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra [Teiôtes] azy.” Misy kosa Baiboly mandika azy io hoe “Andriamanitra.” (DIEM) Hazavain’ilay Rakibolana Grika-Anglisy anefa fa midika hoe “toetran’Andriamanitra, na ny maha Andriamanitra” ny teiôtes. (P. 788) Mety àry ny nandikana ny teiôtes hoe ny maha Andriamanitra fa tsy hoe Andriamanitra eo amin’io andininy io, raha jerena ny teny manodidina. Ireo porofo hita maso eo amin’ny zavaboary mantsy no noresahin’ilay apostoly. Tsy ahafantarana ny anaran’Andriamanitra, ohatra, ny zavaboary, nefa ahitana porofon’ny “heriny mandrakizay.” Io hery io no namoronany sy amelomany an’izao rehetra izao. Asehon’ny zavaboary koa ny “maha Andriamanitra” Azy, dia ny hoe Andriamanitra tokoa ny Mpamorona ka mendrika ny hivavahana.

Milaza ny Kolosianina 2:9 fa ao amin’i Kristy no “itoeran’ny fahafenoan’ny toetran’Andriamanitra [endriny hafa amin’ny hoe teôtes].” Misy Baiboly mandika azy io hoe “fomban’Andriamanitra.” (Prot., Kat., DIEM, JM) Milaza àry ireo mpino ny Andriamanitra telo izay iray fa ao amin’i Kristy no itoeran’Andriamanitra. Hazavain’ilay Rakibolana Grika-Anglisy anefa fa mitovy ny dikan’ny teiôtes sy teôtes, dia hoe “maha Andriamanitra, toetran’Andriamanitra.” (P. 792) Nadika hoe “maha Andriamanitra” koa ny teôtes ao amin’ny Peshitta syriàka sy ny Vulgate latinina. Mety àry ny nandikana azy io hoe “toetran’Andriamanitra” ao amin’io andininy io.

Tsy Andriamanitra Mahery Indrindra akory i Kristy raha manana ny “toetran’Andriamanitra.” Hoy mantsy i Paoly eo aloha kokoa: “Sitrak’Andriamanitra hitoetra ao aminy ny fahafenoana rehetra.” (Kl 1:19) Ao amin’i Kristy ny fahafenoana rehetra satria izany no “sitraky ny Ray.” (Prot., Kat.) Fanapahan-kevitry ny Ray àry ny hoe ao amin’i Kristy no itoeran’ny fahafenoan’ny “toetran’Andriamanitra.” Nilaza koa i Paoly fa ‘mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra’ i Kristy. Tsy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra àry i Kristy.​—Kl 3:1.

Jereo ny teny manodidina ny Kolosianina 2:9. Ampitandreman’ny andininy faha-8 ny Kristianina mba tsy ho voafitaky ny filozofia sy ny fampianarana nifandovan’olombelona. Voalaza koa fa “tsara afina ao [amin’i Kristy] tokoa ... ny harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.” Tokony “hiara-mandeha aminy foana sady ho tafaray aminy” àry ny Kristianina, “ary hamaka tsara sy hiorina hatrany eo aminy ary tsy ho voahozongozona amin’ny finoana.” (Kl 2:3, 6, 7) Hazavain’ny andininy hafa koa fa novelomina izy ireo noho ny finoany, ary nafahana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna. (Kl 2:13-15) Tsy ilain’izy ireo àry ny Lalàna (nesorina tamin’ny alalan’i Kristy), na ny filozofia na ny fampianarana nifandovan’olombelona. ‘Tsy misy zavatra tsy ananan’izy ireo’ mantsy ao amin’i Kristy.​—Kl 2:10-12.

Milaza ny 2 Petera 1:3, 4 fa amin’ny alalan’ny “fampanantenana sarobidy sady tena lehibe” no ahatongavan’ny Kristianina voahosotra ‘ho fanahy tahaka an’Andriamanitra, noho izy ireo efa nandositra ny fahalotoana eo amin’izao tontolo izao, dia fahalotoana avy amin’ny filan-dratsy.’ Resahin’ny andininy hafa fa ‘miara-mijaly’ amin’i Kristy izy ireo, ho faty toy ny nahafatesany, hatsangana ho fanahy tsy mety maty toa azy, ary hiara-mandova aminy an’ilay Fanjakana any an-danitra. (1Ko 15:50-54; Fi 3:10, 11; 1Pe 5:1; 2Pe 1:2-4; Ap 20:6) “Ho fanahy tahaka an’Andriamanitra” àry izy ireo, satria hiaraka hahazo voninahitra amin’i Kristy.

Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Manana anarana ilay tena Andriamanitra. Jehovah no anarany. (De 6:4; Sl 83:18) Tena Andriamanitra izy satria Mpamorona. (Ge 1:1; Ap 4:11) Tena misy izy (Jn 7:28; He 9:24) fa tsy hoe lalàn’ny natiora tsy manan’aina sady tsy misy mibaiko, na hoe hery mampisy zavatra noho ny kisendrasendra fotsiny. Manazava toy izao Ny Rakipahalalana Amerikanina, fanontana 1956 (Boky Faha-12, p. 743), momba ny hoe “Andriamanitra”: “Ilay Fara Tampony, Ilay Nampisy an’izao rehetra izao, araka ny finoan’ny Kristianina sy Silamo ary Jiosy. Araka ny finoan’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny any amin’ny tany mandroso, dia fanahy mahaleo tena izy, velona mandrakizay, tsy fehezin’iza na iza, mahery indrindra, ary tsy mitovy amin’ny zavaboariny isan-karazany izay velominy sy feheziny. Toa nino mpahary tsy hita maso sy mpifehy an’izao rehetra izao foana ny olombelona hatramin’izay.”

Porofo fa misy ilay “Andriamanitra velona.” Mirindra tsara sy be pitsiny ny zavaboary na kely na lehibe, ary samy manana ny heriny. Nisy vahoaka nifandraisan’Andriamanitra foana koa. Porofoin’izany rehetra izany fa tena misy Andriamanitra. Miana-javatra betsaka ny mpahay siansa rehefa mandinika ny zavaboary. Nisy saina namolavola sy namorona àry ny zavaboary matoa azo ianaran-javatra.

Tsy manan’aina ny sampin’ireo firenena, fa “Andriamanitra velona” kosa i Jehovah. (Je 10:10; 2Ko 6:16) Hita hatraiza hatraiza ny porofon’ny asany sy ny fahalehibeazany. “Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka milaza ny asan’ny tanany.” (Sl 19:1) Tsy manana antony handavana ny fisiany ny olona. “Miharihary eo amin’izy ireo mantsy izay azo fantarina momba an’Andriamanitra, satria nahariharin’Andriamanitra taminy izany. Fa ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony. Koa tsy afa-tsiny izy ireo.”​—Ro 1:18-20.

Nisy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay i Jehovah, ilay hany tena Andriamanitra (Sl 90:2, 4; Ap 10:6) sady Mpanjakan’ny mandrakizay, izay tsy mety lo sady tsy hita maso. (1Ti 1:17) Tsy nisy andriamanitra talohany.​—Is 43:10, 11.

Tsy takatry ny saina, nefa mora hatonina. Tsy takatry ny saina ny mombamomba an’ilay tena Andriamanitra. Tsy afaka ny hitovy amin’ny Mpamorona mihitsy na hahatakatra an’izay rehetra ao an-tsainy ny zavaboariny. (Ro 11:33-36) Afaka mahita azy anefa izay mitady azy, ary mora hatonina izy. Manome an’izay rehetra mahasoa sy mahasambatra ny mpivavaka aminy koa izy. (As 17:26, 27; Sl 145:16) Afaka manome fanomezana tsara ho an’ny zavaboariny foana izy, sady tena vonona hanao izany. “Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra izany. Tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka izy.” (Jk 1:17) Manao zavatra ara-drariny foana i Jehovah, ka hita fa marina izy. (Ro 3:4, 23-26) Afaka matoky azy tanteraka àry ny zavaboariny rehetra, satria manaraka ny fitsipiny foana izy. Tsy miova izy (Ml 3:6), ary tsy “miovaova” ny fampiharany ny fitsipiny. Tsy miangatra izy (De 10:17, 18; Ro 2:11), ary tsy mahay mandainga.​—No 23:16, 19; Tit 1:1, 2; He 6:17, 18.

Ny toetrany. Tsy eny rehetra eny akory ilay tena Andriamanitra, satria manana fonenana izy. (1Mp 8:49; Jn 16:28; He 9:24) Any an-danitra ny seza fiandrianany. (Is 66:1) Izy no ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. (Ge 17:1; Ap 16:14) ‘Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony’, ary izy “Ilay manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany.” (He 4:13; Is 46:10, 11; 1Sa 2:3) Afaka maneho ny heriny hatraiza hatraiza izy, ary mahalala izay mitranga eran’izao rehetra izao.​—2Ta 16:9; Sl 139:7-12; Am 9:2-4.

Fanahy izy fa tsy nofo (Jn 4:24; 2Ko 3:17), na dia milaza aza izy indraindray fa manana maso sy hery toy ny an’olombelona. Resahiny, ohatra, ny amin’ny ‘sandriny’ (Ek 6:6), ny ‘masony’ ary ny “sofiny.” (Sl 34:15) Milaza koa izy fa afaka mahita sy mandre, satria izy no Mpamorona ny maso sy ny sofina.​—Sl 94:9.

Be fitiavana izy (1Jn 4:8), hendry (Oh 2:6; Ro 11:33), manao ny rariny (De 32:4; Lk 18:7, 8), ary mahery (Jb 37:23; Lk 1:35). Andriamanitry ny filaminana koa izy. (1Ko 14:33) Masina sy madio tanteraka izy (Is 6:3; Ha 1:13; Ap 4:8), falifaly (1Ti 1:11), ary mamindra fo (Ek 34:6; Lk 6:36). Misy toetrany maro hafa koa resahin’ny Baiboly.

Ny toerana tanany. I Jehovah no Mpanjaka Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao, ilay Mpanjaka velona mandrakizay. (Sl 68:20; Da 4:25, 35; As 4:24; 1Ti 1:17) Ny seza fiandrianany no avo indrindra. (Ezk 1:4-28; Da 7:9-14; Ap 4:1-8) Izy no Lehibe (He 1:3; 8:1) sy ilay Andriamanitra heni-kaja. (1Sa 4:8; Is 33:21) Izy koa no Loharanon’aina.​—Jb 33:4; Sl 36:9; As 17:24, 25.

Manao ny rariny sy be voninahitra. Andriamanitra manao ny rariny ilay tena Andriamanitra. (Sl 7:9) Izy ilay Andriamanitra be voninahitra. (Sl 29:3; As 7:2) Izy no ambony indrindra (De 33:26), satria mitafy fahamboniana sy hery (Sl 93:1; 68:34) ary haja amam-boninahitra. (Sl 104:1; 1Ta 16:27; Jb 37:22; Sl 8:1) “Heni-kaja amam-boninahitra ny zavatra nataony.” (Sl 111:3) Resahin’ny Baiboly koa ny famirapiratan’ny voninahitry ny Fanjakany.​—Sl 145:11, 12.

Ny fikasany. Fikasan’Andriamanitra ‘ny hanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.’ (Ef 1:9, 10). Tsy hisy hahasakana ny fahatanterahan’izany. (Is 46:10; 55:8-11) Hampihavanin’i Kristy amin’Andriamanitra àry ny zavaboary manan-tsaina rehetra. (Ampit. Mt 6:9, 10.) Tsy nisy velona talohan’i Jehovah, ka izy no ela niainana indrindra. (Is 44:6) Nisy talohan’ny andriamani-kafa rehetra izy satria Mpamorona. ‘Tsy hisy ao aoriany’ koa, satria tsy hahavita hamorona andriamanitra velona mahay maminany ireo firenena. (Is 43:10; 46:9, 10) Izy no Alfa sy Omega (Ap 22:13), ary izy irery no Andriamanitra Mahery Indrindra. Hoporofoiny fa izy no tena Andriamanitra, ka ho voaporofo mandrakizay fa izy no hany Andriamanitra Mahery Indrindra. (Ap 1:8; 21:5, 6) Tsy hadinony mihitsy ireo fikasany sy fifanekena nataony, ka Andriamanitra azo itokisana sy tsy mivadika izy.​—Sl 105:8.

Mampahafantatra ny tenany. Tena tia ny zavaboariny Andriamanitra, ka ampahafantariny azy ireo ny mombamomba azy sy ny fikasany. Intelo, ohatra, ny feony no ren’olona teto an-tany. (Mt 3:17; 17:5; Jn 12:28) Nampita ny teniny tamin’ny alalan’ny anjely (Lk 2:9-12; As 7:52, 53) sy ny olona izy. Nirahiny, ohatra, i Mosesy, ary indrindra fa i Jesosy Kristy Zanany mba hampita ny toromariny sy ny zavatra naharihariny. (He 1:1, 2; Ap 1:1) Ny Teniny voasoratra no fomba ampitany hevitra amin’ny mpanompony ankehitriny, mba ho ampy fitaovana tsara izy ireo amin’ny fanompoana azy ary hahazo fiainana mandrakizay.​—2Pe 1:19-21; 2Ti 3:16, 17; Jn 17:3.

Tsy mitovy amin’ireo andriamanitry ny firenena. Mamirapiratra be ny voninahitr’ilay tena Andriamanitra Mpamorona an’ireo zavatra eny amin’ny lanitra. “Tsy misy olona afaka mahita” azy àry “ka mbola ho velona ihany.” (Ek 33:20) Ny anjely ihany no afaka mahita ny tavany, satria fanahy izy ireo. (Mt 18:10; Lk 1:19) Tsy afaka mahita azy toy izany ny olombelona. Soa ihany anefa fa nomeny ny Teniny, mba hahafantaran’izy ireo ny toetra tsarany sy ny fanazavan’i Kristy Jesosy Zanany momba azy.​—Mt 11:27; Jn 1:18; 14:9.

Resahin’ny Apokalypsy ny fahitana azon’ny apostoly Jaona momba an’Andriamanitra. Toy ny hoe teo ambony seza fiandrianana no nahitany Azy. Tsy nahita hoatran’ny bikabikan’olona akory izy, satria tsy nampiseho ny endriny mihitsy Andriamanitra. Hoy i Jaona tatỳ aoriana: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jn 1:18) Voalaza kosa fa toy ny vatosoa sarobidy voapaika mamirapiratra tsara tarehy izy, ka mahasondriana erỳ. “Tahaka ny vato jaspa sy vatosoa mena no fahitana” azy, “ary manodidina an’ilay seza fiandrianana dia nisy avana izay hoatran’ny emeraoda no fahitana azy.” (Ap 4:3) Mahafinaritra sy mahavariana ny mijery azy. Misy avana boribory tsara hoatran’ny emeraoda manodidina an’ilay seza fiandrianany ka tena kanto sy tony, toy ny rehefa tsara ny andro aorian’ny oram-baratra.​—Ampit. Ge 9:12-16.

Hafa mihitsy àry ilay tena Andriamanitra, fa tsy mba toa an’ireo andriamani-kafa izay ratsy tarehy, tezi-dava, masiaka be, tsy azo ivalozana, tsy mamindra fo, miovaova, mampihorohoro, lozabe, ary tia mampijaly olona any amin’ny afobe.

‘Mitaky ny hanompoana azy irery ihany.’ “Na misy aza ireo antsoina hoe ‘andriamanitra’, na any an-danitra na eto an-tany, toy ny isian’ny ‘andriamanitra’ maro sy ‘tompo’ maro, dia tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany amintsika, dia ny Ray.” (1Ko 8:5, 6) I Jehovah no Andriamanitra Mahery Indrindra sy hany tena Andriamanitra, ka rariny raha mitaky ny hanompoana azy irery ihany izy. (Ek 20:5) Tsy tokony hivavaka amin’andriamani-kafa ny mpanompony. Izy irery ihany no tokony ho tian’izy ireo amin’ny fony manontolo sy hankatoaviny. Tokony hivavaka aminy araka ny fanahy sy ny fahamarinana izy ireo. (Jn 4:24) Izy irery ihany koa no tokony hatahorany.​—Is 8:13; He 12:28, 29.

Anisan’ireo antsoin’ny Baiboly hoe “andriamanitra” i Jesosy Kristy, ilay “hany andriamanitra nateraka.” Hoy koa anefa izy: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Jn 1:18; Lk 4:8; De 10:20) Antsoina hoe “andriamanitra” ireo anjely, nefa hoy ny anjely iray rehefa saika hivavaka taminy i Jaona: “Tandremo! Aza manao izao! ... Andriamanitra no ivavaho.” (Sl 8:5; He 2:7; Ap 19:10) Nisy manam-pahefana hebreo nantsoina koa hoe “andriamanitra.” (Sl 82:1-7) Tsy misy olona avelan’Andriamanitra hivavahana anefa. Hoy ny apostoly Petera tamin’i Kornelio niankohoka tamim-panajana teo anatrehany: “Mitsangàna, fa izaho koa ange olona ihany e!” (As 10:25, 26) Tsy tokony hivavahana ireo sampy namboarin’ny olona hatramin’ny fikomiana tany Edena. Noraran’ny Lalàn’i Mosesy ny fivavahana amin’ireny. (Ek 20:3-5) Tsy hilefitra mandrakizay amin’ny fanompoana andriamanitra tsy misy dikany i Jehovah, ilay tena Andriamanitra.​—Je 10:10, 11.

Hofoanan’i Kristy mandritra ny Fanjakany Arivo Taona ny fitondrana sy fahefana rehetra manohitra an’Andriamanitra. Hatolony an-dRainy avy eo ilay Fanjakana, mba ho Andriamanitra no “zava-drehetra ho an’ny rehetra.” (Ro 8:33; 1Ko 15:23-28) Hanaiky ny zon’Andriamanitra hitondra ny rehetra, ka hidera ny anarany mandrakizay.​—Sl 150; Fi 2:9-11; Ap 21:22-27; jereo JEHOVAH.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara