FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Grefy”
  • Grefy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Grefy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Oliva
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hazo Oliva Mirobona ao An-tranon’ Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • ‘Lalina Tokoa ny Fahendren’Andriamanitra!’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Voajanahary
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Grefy”

GREFY

Fanakambanana ny tsimoka na tahon’ny hazo fantatra ho mamoa tsara, amin’ny vatan’ny hazo iray tsy dia mamoa, mba ho lasa hazo iray ihany izy ireo. Avy amin’ny hazo mamoa tsara ilay tsimoka, ary hazo vaventy sy mitombo tsara ilay anaovana grefy azy, ka matetika no ahazoana vokatra tsara izany. Mahazo rano sy otrikaina avy amin’ilay hazo anaovana grefy azy ilay tsimoka, nefa hamokatra voa hoatran’ny an’ilay hazo nakana azy ihany.

Nanao fanoharana momba ny hazo oliva ny apostoly Paoly, ao amin’ny bokin’ny Romanina. Hoy izy tamin’ny Kristianina hafa firenena: “Notapahina tamin’ny olivadia ianao ka natao grefy tamin’ilay oliva nambolena, na dia tsy izany aza no fanao. Koa raha ianao aza natao toy izany, mainka fa izy ireo izay tena sampany no hatao grefy amin’ilay oliva nisy azy!” (Ro 11:17-24) Toy ny sampan’ny olivadia natao grefy tamin’ny oliva nambolena ny Kristianina tsy Jiosy, mba ho solon’ny sampana notapahina. Tsy mamoa ny olivadia na ratsy ny voany, ka ny oliva nambolena no atao grefy amin’ny olivadia mba hahazoana oliva tsara, any amin’ireo faritr’i Mediterane. Lasa tafaray ny Jiosy sy ny hafa firenena anisan’ny “Israelin’Andriamanitra”, toy ireo sampan’ny olivadia natao grefy tamin’ny oliva nambolena.​—Ga 3:28; 6:16; ampit. Jn 15:1-6; jereo OLIVA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara