RANOMASINA LEHIBE
Ranomasina manasaraka an’i Eoropa sy Afrika, ka i Azia no eo atsinanany. Ny Hebreo niantso azy io hoe Ranomasina Lehibe, fa Mediterane kosa no iantsoana azy ankehitriny. Avy amin’ny teny latinina io anarany io ary midika hoe “eo Afovoan’ny Tany.” Saika voahodidina tany tanteraka izy io, ary ny rivotra mafana be avy any an-tany efitr’i Sahara no mitsoka eo aminy. Mamoaka etona be dia be àry izy io, ka lasa mavesatra kokoa noho ny ranomasina hafa. Hita mihitsy izany eo amin’ny Andilan-dranomasin’i Gibraltar: Mikoriana eo ambony ny ranon’ny Oseana Atlantika rehefa miditra mankao amin’i Mediterane satria maivana kokoa, fa mikoriana any ambany kosa ny ranon’i Mediterane rehefa mivoaka mankao amin’i Atlantika satria mavesatra kokoa. Ireto lalana tery ireto ihany no ahafahan’ny sambo mankao amin’i Mediterane: Ny Andilan-dranomasin’i Gibraltar eo andrefana, i Dardanelles sy Bosphore eo avaratratsinanana, ary ny Lakandranon’i Suez eo atsimoatsinanana (nanomboka tamin’ny taonjato faha-19).
Mety foana ny iantsoana azy io hoe Ranomasina Lehibe na ankehitriny aza, toy ny niantsoan’ny olona azy io efa hatramin’ny andron’i Mosesy. Mifanentana tsara amin’izany mantsy ny habeny. (No 34:6, 7) Maromaro ny ranomasina sampan’izy io, ka na tsy refesina aza ireny, dia mbola mahatratra 3700 km eo ho eo ihany ny halavan’i Mediterane, 970 km mahery ny sakany lehibe indrindra, ary 2 510 000 km2 eo ho eo ny velarany. Tokotokony ho 5100 m ny lalina indrindra aminy.
Ireo Saikinosin’i Gresy sy Italia avy eo avaratra no mampisy an’ireto ranomasina ireto: Tyrenianina, Ionianina, Adriatika, ary Égée. Lasa miolikolika be àry ny morontsirak’i Mediterane sady lava be. Mihena ho 150 km eo ho eo ny sakan’ny Mediterane eo elanelan’i Sisila sy Afrika Avaratra. Marivo kokoa ny rano eo amin’io toerana io, ary efa hisasaka ny halavan’i Mediterane eo.
Milaza ny faminanian’i Ezekiela fa misy trondro “maro be” ao amin’ny Ranomasina Lehibe. (Ezk 47:10) Maherin’ny 400 ny karazan-trondro hita any, ankoatra an’ireo haran-dranomasina tsara tarehy sy spaonjy maro be.
Maro ny anarana iantsoan’ireo mpanoratra Baiboly an’io ranomasina io, ankoatra ny hoe “Ranomasina Lehibe.” (Js 1:4; 9:1, 2; 15:12, 47; 23:4; Ezk 47:15, 19, 20; 48:28) Antsoin’izy ireo hoe “ranomasina andrefana” izy io, satria io no sisin-tany andrefana amin’ilay tany nomen’Andriamanitra azy ireo. (De 11:24; 34:1, 2) Raha jerena avy eo Jerosalema koa izy io, dia “ranomasina andrefana”, satria ny Ranomasina Maty no “ranomasina atsinanana.” (Jl 2:20; Za 14:8) Nantsoina koa hoe “ranomasin’ny Filistinina” (Ek 23:31) na “Ranomasina” fotsiny izy io.—No 34:5.
Efa hatry ny ela be ny Fenisianina sy ireo mpivezivezy an-dranomasina mahery fo no nahita an’ireo nosy maron’ny Ranomasina Lehibe sy nanao raharaham-barotra teny amin’ireo seranany. Miresaka momba an’ireto nosy ireto, ohatra, ny Baiboly: Arvada, Kaoda, Kio, Kosy, Kreta, Malta, Patmo, Rodo, Samo, Samotrakia, ary Sipra. Ireto ny tanàna sy toerana amoron-tsiraka teny amin’ireny nosy ireny sy teny amin’ireo morontsiraka amin’ny ilany atsinanana amin’ny Ranomasina Lehibe, izay resahin’ny Baiboly: Ako (Ptolemaisy), Adramytena, Akziba, Aleksandria, Amfipolia, Askelona, Atalia, Dora, Foiniksa, Gebala, Kinido, Lasea, Patara, Potioly, Regioma, Salamisy, Salmona, Seranana Kanto, ary Syrakosa.
Nankany amin’ny faritra nisy seranana tany Tyro sy Sidona, ohatra, i Jesosy Kristy (Mr 7:24, 31); tany Jopa sy Kaisaria i Petera (As 10:5, 6, 24); i Paoly kosa tany Pafo, Troasy, Neapolia, Kenkrea, Efesosy, Aso, Mitylena, ary Mileto. (As 13:13; 16:11; 18:18, 19; 20:14, 15) Malaza ho be tafio-drivotra mahery izay mahavaky sambo sy amoizana aina maro ny Ranomasina Lehibe. Maningana àry ireo tafita velona amin’izany, toy ireo niaraka tamin’i Paoly.—As 27:14, 15, 39-44.