FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Havota-jaira”
  • Havota-jaira

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Havota-jaira
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Jaira
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jairita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Gileada
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Manase
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Havota-jaira”

HAVOTA-JAIRA

(Havòta-jaìra) [Tanàna Tranolain’i Jaira].

Tanàna kely maromaro tao amin’ny faritanin’i Manase tany atsinanan’i Jordana. Nantsoina hoe “Gileada” indraindray ny tanin’ny Israely rehetra tany atsinanan’i Jordana (Js 22:9), ka izany angamba no antony nilazana an’i Havota-jaira hoe tany Gileada (No 32:40, 41), na dia misy andininy hafa aza milaza fa tany Basana ireo tanàna kely ireo.​—De 3:14; Js 13:29, 30.

I Jaira no voalaza fa nahazo an’ireo “tanàna tranolay” ireo, izay azo inoana fa niisa 23, ka nampitondrainy ny anarany ary nantsoiny hoe Havota-jaira. Niara-belona tamin’i Mosesy i Jaira, izay taranak’i Joda avy tamin’i Hezrona. Nisaina ho anisan’ny taranak’i Manase anefa izy. (No 32:39-41; De 3:14; 1Ta 2:3, 21-23; jereo JAIRA No. 1.) Taona maro tatỳ aoriana, dia nantsoina hoe Havota-jaira ireo tanàna 30 fananan’ireo 30 lahy zanak’i Jaira Mpitsara. Misy manakiana hoe mifanohitra amin’ny niavian’ny anarana hoe Havota-jaira izany. Tsy milaza anefa ny bokin’ny Mpitsara hoe tamin’izay fotoana izay vao nampiasaina ilay anarana hoe Havota-jaira. Lazainy fotsiny hoe mbola nampiasaina ilay anarana tamin’ny fotoana nanoratana an’io boky io ary izany no niantsoana an’ireo tanàna 30 ireo.​—Mpts 10:3, 4.

Tamin’ny andro nanjakan’i Solomona, dia iray tamin’ny faritra niandraiketan’ny lehibem-paritra ireo tanàna tranolain’i Jaira ireo. (1Mp 4:7, 13) Ireo tanàna 60 nanerana ny faritr’i Argoba tany Basana, resahin’ny 1 Mpanjaka 4:13 sy ny andinin-teny hafa (Js 13:30; 1Ta 2:23), dia tanàna voaro mafy, tamin’izany andro izany. Mety tsy ho anisan’ireny tanàna voaro mafy ireny àry ireo tanàna kely maro be tany ambanivohitra. (Ampit. De 3:4, 5.) Mety ho tanàna hafa mihitsy àry ny “tanàna tranolay” rehetran’i Jaira, fa tsy anisan’ireo tanàna 60. Tsy tena azo antoka anefa izany.

Nalain’i Gesora sy Syria i Havota-jaira, saingy tsy fantatra hoe oviana no nitrangan’izany teo amin’ny tantaran’ny Israely.​—1Ta 2:23.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara