FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hazarmaveta”
  • Hazarmaveta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hazarmaveta
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Arabia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Palestina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Joda, Tany Efitr’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ejipta, Lohasaha Falehan-driakan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hazarmaveta”

HAZARMAVETA

(Hazarmavèta) [Tokotanin’ny (Tanàna Kelin’ny) Fahafatesana].

Taranak’i Noa avy tamin’i Sema sy Joktana. (Ge 10:1, 21, 25, 26; 1Ta 1:20) Maro no mihevitra fa nanorim-ponenana tany amin’ny faritr’i Hadramaout, any Arabia Atsimo, ny taranak’i Hazarmaveta. Mitovitovy mantsy, hono, ny renisoratra amin’ny hoe Hadramaout sy Hazarmaveta, tamin’ny teny hebreo sy arabo taloha. Tsy tena fantatra ny sisin-tanin’i Hadramaout. Mirefy 880 km eo ho eo ny lavany, ary 240 km ny sakany. Somary kelikely ny lemaka amoron-tsiraka, ary mifanila amin’izy io ny lembalemba mideza mahatratra 900 ka hatramin’ny 1200 m. Vatolampy be io lembalemba io, ary misy lohasaha falehan-driaka lalina maro mamakivaky azy. Lonaka be ireny lohasaha ireny. Vokatra eny ny palmie sy antrendry, ampemby, liozerna (karazam-bilona), aika, landihazo, ary katsaka. Miraoka ahitra eny koa ny ondry, rameva, ampondra ary omby. Ny Lohasaha Falehan-driaka Hadramaout no lohasaha falehan-driaka lehibe indrindra. Misy renirano mikoriana amin’izy io, ary 480 km eo ho eo avy any amin’ny morontsiraka andrefan’ny Saikinosin’i Arabia ny loharanony. Miolikolika tsikelikely miantsinanana ilay renirano, eo amin’ny 640 km eo ho eo. Mivarina any amin’ny Ranomasin’i Arabia ilay izy, ary antsoina hoe Reniranon’i Masila rehefa hivarina any. Nampahalaza ny faritr’i Hadramaout fahiny ny varotra emboka manitra. Efa vitsy kely anefa izao ny hazo ahazoana ditin-kazo manitra any.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara