HELBA
(Helbà).
Tanàna tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Asera. Voalaza fa tsy noroahin’ny fokon’i Asera ny Kananita nonina tao. (Mpts 1:31, 32) Misy manam-pahaizana milaza fa i Alaba ihany no Helba, ka mihevitra azy io ho i Kirbet el-Mahalib, tokotokony ho 6 km any avaratratsinanan’i Tyro. Tsy fantatra anefa ny tena toerana nisy azy io.