FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hermesy”
  • Hermesy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hermesy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Zeosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • ‘Tena Sahy Nitory Noho ny Fahefana Nomen’i Jehovah’
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Hermogena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Lystra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hermesy”

HERMESY

(Hermèsy).

1. Kristianina anisan’ny fiangonan’i Roma nanaovan’i Paoly mampamangy.​—Ro 16:14.

2. Andriamanitra grika, zanakalahin’i Zeosy sy Maia. I Hermesy ilay antsoin’ny Romanina hoe Merkory, andriamanitry ny varotra. Mpitondra hafatr’ireo andriamanitra i Hermesy. Mpanolo-tsaina an’ireo mahery fo, hono, izy sady andriamanitry ny varotra, ny fahaiza-mandaha-teny, ny fanatanjahan-tena, ny torimaso ary ny nofy. Tsy ny velona ihany, hono, no nomeny tari-dalana, fa notarihiny ho any amin’ny Haides koa ny maty.

Niantso an’i Paoly hoe Hermesy ny mponina tany Lystra izay nahita azy nanasitrana lehilahy nalemy hatrany an-kibon-dreniny, satria i Paoly “no niteny.” (As 14:8-13) Nino mantsy izy ireo fa mpitondra hafatr’ireo andriamanitra i Hermesy, sady andriamanitry ny fahaiza-mandaha-teny. Nivavaka tamin’i Hermesy tokoa izy ireo, araka ity soratra hita tany akaikin’i Lystra tamin’ny 1909 ity: “Nanao [ny sarivongan’i] Hermesy Lehibe Indrindra nisy sarina famantarana ora amin’ny alalan’ny aloky ny masoandro i Toesy Makrinosy na Abaskantosy sy Batasisy zanak’i Bretasisy, araka ny voady nataon’izy ireo. Izy ireo no nandoa ny lany rehetra tamin’izany, ary natokany ho an’i Zeosy andriamanitra masoandro ilay sarivongana.”​—Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena, nataon’i J. Orr, 1960, Boky III, p. 1944.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara