FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hidekela”
  • Hidekela

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hidekela
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Eofrata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Renirano
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nahoana Andriamanitra no Namorona ny Tany?
    Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
  • Ilay Dia Lavitra Nankany Babylonia
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hidekela”

HIDEKELA

(Hidekèla).

Anisan’ireo renirano efatra nisampana avy tamin’ilay renirano nivoaka avy tao Edena. (Ge 2:10-14) Tigra no anaran’i Hidekela amin’ny teny persianina tranainy, ka avy amin’io ilay teny grika nadika hoe Reniranon’i Tigra. Shatt Dijla kosa no anarany amin’ny teny arabo. Misy milaza azy io hoe renirano kambana amin’i Eofrata. Ireo renirano roa ireo no mahatonga ny lemak’i Mezopotamia ho azon-drano tsara.

Teo amoron’ny Reniranon’i Tigra (Hidekela) i Daniela no nahazo ilay fahitana momba ny adin’ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo” izay samy te hahazo fahefana. (Da 10:4, 5; 11:5, 6) Misy tanàna tranainy maro lalovan’i Tigra rehefa mamakivaky ny lemak’i Mezopotamia izy io. Eo amin’ny morony atsinanana, ohatra, no misy ny sisa tavela tamin’i Ninive fahiny, eo ampitan’ny tanànan’i Mossoul ankehitriny. Eo amin’iny morony iny ihany, saingy eo atsimo kokoa no misy ny tanànan’i Kala. Eo ampita andrefany, eo ambanimbany kokoa, no misy an’i Asyra fahiny. Eo ambanimbany kelin’i Bagdad, eo ampita andrefana eo ihany, no misy ny sisa tavela tamin’i Seleokia, renivohitry ny fanjakan’ny tarana-mpanjaka avy tamin’i Séleucus.

Any amin’ny faritra atsinanan’i Torkia (ankehitriny) no misy an’ireo loharanon’i Tigra. Ilay loharano any andrefana no lavitra indrindra. Avy any amin’ireo tendrombohitra atsimon’ny Farihin’i Hazara io loharano io. Ilay Farihin’i Hazara kosa any amin’ny 25 km eo ho eo atsimoatsinanan’ny tanànan’i Elazig, ary any akaikin’ny iray amin’ireo loharanon’i Eofrata. Azo inoana kokoa àry fa iray ihany ny loharanon’i Tigra sy Eofrata, talohan’ilay Safodrano naneran-tany izay nanova ny vohon’ny tany. Mikoriana 240 km mankany atsimoatsinanana aloha ilay loharano avy any andrefana. Mivarina mankao aminy ny loharano maromaro, akaiky kokoa, avy any atsinanana. Efa lasa renirano ilay izy hatreo, ary mikoriana mianatsimo kokoa rehefa tonga eo atsimon’ny tendrony andrefana amin’ny Farihin’i Van. Manaraka lalana tery kely ilay renirano, ary mikoriana mankeny amin’ny lemak’i Mezopotamia avy eo. Alohan’ny hihaonan’i Tigra amin’i Eofrata, dia mivarina mankao aminy ny sampan-drano efatra lehibe, izany hoe i Zab Lehibe, Zab Kely, Adaima ary Diyala.

Mino ny ankamaroan’ny olona fa tsy nitambatra i Tigra sy Eofrata rehefa nivarina tany an-dranomasina tamin’ny voalohany. Taonjato maro tatỳ aoriana, hono, izy roa ireo vao nitambatra, rehefa niangona teo amin’ny tendron’ny Hoala Persika ny antsanga. Lasa renirano lehibe i Tigra sy Eofrata rehefa nikambana, ary nanjary nantsoina hoe Shatt-al-Arab, izay mikoriana 160 km eo ho eo aloha izay vao mivarina ao amin’ny Hoala Persika.

Mirefy 1850 km eo ho eo ny Reniranon’i Tigra. Lehibe izy io, ary mahatratra 366 m ny sakany indraindray. Marivo anefa ny ranony, ka sambokely ihany no afaka mandeha eo aminy, any ambonimbonin’i Bagdad. Mikoriana haingana be i Tigra raha oharina amin’i Eofrata. Roa ampahatelon’ny halavan’ilay renirano “kambana” aminy ny halavan’i Tigra, ary tsy ampiasaina firy hitaterana entam-barotra izy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara