ZAZASARY
Mamzer no teny hebreo nadika hoe zazasary. Tsy fantatra tsara ny niavian’io teny hebreo io, fa angamba izy io misy ifandraisany amin’ny teny hebreo nadika hoe ‘fery’ ampiasaina ao amin’ny Jeremia 30:13 sy Hosea 5:13 sy amin’ny teny arabo midika hoe “mahatonga ho lo; mampandoa”, ka ilazana zavatra simba.
Hoy ny Lalàna: “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah ny zazasary. Na hatramin’ny taranany fahafolo aza tsy misy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah.” (De 23:2) Milaza fahafenoana ny isa folo. Ny hoe hatramin’ny taranaka “fahafolo” àry dia midika hoe tsy afaka niditra ho anisan’ny fiangonana mihitsy ny zazasary. Mazava kokoa ny hevitr’izany rehefa nampiharina tamin’ny Amonita sy ny Moabita koa io lalàna io, ary nampiana hoe “mandritra ny fotoana tsy voafetra.” Nanjo azy ireo izany satria ratsy fanahy tamin’ny Israely izy ireo tamin’ny Israely nankany amin’ny Tany Nampanantenaina, fa tsy hoe satria taranak’olona nanao firaisana tamin’olom-pady ny razamben’izy ireo, araka ny nolazain’ny sasany.—De 23:3-6; jereo AMONITA.
Maharikoriko an’i Jehovah ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ary ny firaisana amin’olom-pady. Notakin’ny Lalàna ny hamonoana ho faty izay nanitsakitsa-bady na nanao firaisana tamin’olom-pady, ary tsy nisy nahazo nivaro-tena ny zanakavavin’ny Israely. (Le 18:6, 29; 19:29; 20:10; De 23:17) Nikorontana sy nisaratsaraka ny fianakaviana raha navela handova ny zazasary. Tsy nahazo lova ny zaza toy ireny teo amin’ny Israely.
Misy mpivaofy teny milaza fa zazasary i Jefta. Tsy marina anefa izany. Tsy milaza an’izany mantsy ny Baiboly, fa izao no lazainy: “Zanaky ny vehivavy mpivaro-tena izy.” (Mpts 11:1) Marina fa mpivaro-tena ny renin’i Jefta taloha, nefa azo inoana fa mendri-kaja ny fanambadiany tatỳ aoriana, toy ny fanambadian’ilay mpivaro-tena taloha atao hoe Rahaba sy ilay lehilahy israelita hoe Salmona. Tsy zazasary àry i Jefta toy ny tsy naha zazasary ny zanakalahin’i Salmona sy Rahaba, izay lasa razamben’i Jesosy Kristy. (Mt 1:5) Mety ho vadikelin’i Gileada ny renin’i Jefta, ary mety ho lahimatoan’i Gileada mihitsy aza i Jefta. Raha zazasary izy, dia tsy afaka ny ho anisan’ny fiangonan’Israely, ary tsy azo natao lohany teo amin’ireo rahalahiny hafa reny taminy. Niangavy azy mba ho lohany teo amin’izy ireo mantsy ireo rahalahiny ireo, nefa nandroaka azy talohan’izay. (Mpts 11:2, 6, 11) Tsy hoe satria zanaky ny vadikelin’i Gileada i Jefta dia lazaina hoe zazasary. Nitovy zo ny zanakalahin’ny tena vady sy ny zanakalahin’ny vadikely, araka ny Lalàna.—De 21:15-17.
Ampiasaina indray mandeha ihany ny teny hoe nôtôs (“zazasary”, TV, Prot., Kat.), ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ao amin’ny Hebreo 12:8. Asehon’ny andininy manodidina fa toy ny ray be fitiavana manafay ny zanany Andriamanitra. Izao no voalaza eo: “Raha tsy faizina tahaka ny atao amin’ny rehetra ianareo, dia tena zazasary fa tsy zanaka.” Ireo mihambo ho zanak’Andriamanitra nefa zatra manota sy tsy mankatò dia hesorina tsy ho anisan’ny fiangonan’Andriamanitra ka tsy hahazo an’ilay famaizana omeny an’ireo tena zanany. Atao mba hahatonga azy ireo ho lavorary anefa izany famaizana izany.