TSY METY LO
Ilazana ny vatana tsy mety simba na tsy mety levona na tsy azo ringanina.
Ny Soratra Grika Kristianina ihany no miresaka mivantana momba ny hoe tsy mety lo, izay avy amin’ny teny grika hoe aftarsia. Endriny hafa amin’ny hoe fteirô nasiana tovona a (“tsy misy”) no nahazoana an’io teny io. Midika hoe “manimba” (1Ko 15:33; 2Ko 7:2) na koa hoe “mamono” na “mandringana” na “mandrava” (1Ko 3:17; 2Pe 2:12) ny hoe fteirô. Aftartôs (tsy mety lo) ny mpamari-toetra avy amin’io teny io.
Simba sy mety lo. Hojerentsika aloha ny hevitry ny teny grika nadika hoe simba sy mety lo. Misy maha samy hafa azy ireo ihany mantsy.
Samy mety simba sy mety lo ny zavatra hita maso sy tsy hita maso. Mety lo, izany hoe mety simba na potika, ohatra, ny satroboninahitra tian’ny atleta grika fahiny ho azo. (1Ko 9:25) Na ny volamena (levona ao anaty asidra klaoridirika miharo asidra nitrika) sy ny volafotsy aza mety simba. (1Pe 1:18; ampit. Jk 5:3.) Mety ho “rendrika” (a.b.t.: simba tanteraka, avy amin’ny teny grika hoe diafteirô, izay teny fanamafisana) ny sambo ka potika. (Ap 8:9) Diafteirô koa ilay nadika hoe “manimba” ny tany. (Ap 11:18) Mety lo ny olona nofo aman-dra. (Ro 1:23) Mety harary ny vatany tsy lavorary ka ho faty sy ho lo. (As 13:36) Tsy hitan’ny maso kosa ny fahazarana mahasoa, nefa mety ho simban’ny naman-dratsy. (1Ko 15:33) Ny saina koa mety ho simba na haloto ka hiala amin’ny fahatsorana sy ny fahadiovana ary ny fahamarinana. (2Ko 11:3; 1Ti 6:5; 2Ti 3:8) Ho simba ny fitondran-tenan’ny olona iray sy ny toetrany, raha simba toy izany ny sainy.—Ef 4:22; Jd 10.
Mety lo koa na dia ny vatana lavorary aza, satria azo ringanina. Izany no antony nilazan’ny apostoly Paoly fa “tsy ho lo intsony” (As 13:34) i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty, izany hoe tsy hiverina ho olombelona manana vatana mety lo intsony izy. Tsy navelan’Andriamanitra ho lo tao am-pasana anefa ny vatan’ny Zanany. (As 2:31; 13:35-37) Tsy hoe nomena an’i Jesosy indray akory ilay vatany rehefa natsangana tamin’ny maty izy. Nilaza mantsy ny apostoly Petera fa “nofo” i Jesosy “rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina.” (1Pe 3:18) Nataon’Andriamanitra tsy hita fotsiny ilay vatany, ka tsy navelany ho lo.—Jereo VATANA (Vatana ara-nofo nananan’i Kristy).
Mety lo ny vatan’ny anjely na dia fanahy aza izy ireo, satria voalaza fa haringana ny sasany aminy.—Mt 25:41; 2Pe 2:4; ampit. Lk 4:33, 34.
Andevon’ny fahalovana ny olombelona. Mety lo ny vatan’i Adama, lehilahy lavorary. Tamin’izy nikomy tamin’Andriamanitra anefa vao lasa ‘andevon’ny fahalovana’, ary lasa andevo toy izany koa ny taranany rehetra. (Ro 8:20-22) Ny ota sy ny fandikan-dalàna no mahatonga izany. (Ro 5:12) Lasa tsy lavorary ny vatan’olombelona, ka mety harary, hihantitra ary ho faty. ‘Izay mamafy ho an’ny nofony àry dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony’, ka tsy hahazo an’ilay fiainana mandrakizay nampanantenaina an’ireo mamafy ho an’ny fanahy.—Ga 6:8; ampit. 2Pe 2:12, 18, 19.
Hisy Kristianina ho lasa tsy mety lo. Tsy miresaka mivantana momba ny hoe tsy mety lo ny Soratra Hebreo. Averimberiny kosa fa mety maty ny olona. Nilaza àry i Paoly fa i Kristy Jesosy no “nanambara mazava tamin’ny alalan’ny vaovao tsara, ny momba ny fiainana sy ny tsy fetezan-ko lo.” (2Ti 1:10) Nahariharin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy mantsy ilay zava-miafina masina hoe hiara-manjaka amin’ny Zanany any an-danitra ny Kristianina voahosotra. (Lk 12:32; Jn 14:2, 3; ampit. Ef 1:9-11.) Nomen’Andriamanitra an’ilay fanantenana velona ny hahazo “lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra, izay voatahiry any an-danitra” izy ireo, rehefa natsangany tamin’ny maty i Jesosy Kristy Mpamonjy azy ireo. (1Pe 1:3, 4, 18, 19; ampit. 1Ko 9:25.) Ateraka indray ho zanak’Andriamanitra izy ireo na dia mbola eto an-tany aza, ka ateraka ‘amin’ny voa tsy mety lo, dia amin’ny alalan’ny tenin’ilay Andriamanitra velona sady maharitra.’—1Pe 1:23; ampit. 1Jn 3:1, 9.
Efa raisin’Andriamanitra ho toy ny zanany sy manantena hahazo lova tsy mety simba ireo Kristianina voantso ho any an-danitra ireo. Mbola mety maty sy mety lo anefa izy ireo eto an-tany. Mbola “mitady voninahitra sy haja ary maniry ny tsy ho lo” mantsy izy ireo, “ka maharitra manao ny tsara.” (Ro 2:6, 7) Efa ‘nandosiran’izy ireo ny fahalotoana eo amin’izao tontolo izao, izay avy amin’ny filan-dratsy’, noho izy ireo manahaka an’i Kristy sy mino ny sorom-panavotany. (2Pe 1:3, 4) Tsy midika fotsiny hoe tsy maloto fitondran-tena anefa ny hoe maniry ny “tsy ho lo.” Tsy ho lo (sy hahazo voninahitra sy haja) koa izy ireo rehefa atsangana amin’ny maty ka ho lasa zanak’Andriamanitra be voninahitra any an-danitra, araka ny nohazavain’i Paoly ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina.
Lasa tsy mety maty sy tsy mety lo rehefa atsangana. Lasa tsy mety maty i Kristy Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty, ka manana “fiainana tsy mety levona.” (1Ti 6:15, 16; He 7:15-17) Lasa tsy mety lo koa izy satria ‘mitovy tanteraka amin’ny an-dRainy ny maha izy azy.’ Andriamanitra tsy mety lo mantsy ny Rainy.—He 1:3; 1Ti 1:17.
Ho tafaray amin’i Jesosy ao amin’ny fitsanganana toy ny azy ny mpiara-mandova aminy an’ilay Fanjakana. Tsy ho lasa zavaboary ara-panahy velona mandrakizay fotsiny àry izy ireo, fa ho lasa tsy mety maty sy tsy mety lo koa. Vatana mety lo ny vatany rehefa maty izy ireo, fa hahazo vatana ara-panahy tsy mety lo kosa izy ireo rehefa atsangana, satria tsy nivadika mandra-pahafatiny. (1Ko 15:42-54) Lazaina hoe tsy mety maty àry izy ireo satria tsy hanam-petra ny fiainany sady tsy ho azo foanana. Lazaina hoe tsy mety lo kosa izy ireo, satria vatana tsy mety simba na levona ary tsy azo ringanina no homen’Andriamanitra azy. Tsy mila hery na zavatra hafa àry izy ireo mba hahavelona azy, tsy hoatran’ny zavaboary hafa eto an-tany sy any an-danitra. Porofo izany fa tena atokisan’Andriamanitra izy ireo. Mbola hofehezin’Andriamanitra ihany anefa izy ireo, na dia mahaleo tena sy tsy azo ringanina aza. Hanaiky hanao ny sitrapon’ny Rainy sy hanaraka ny tari-dalany foana koa izy ireo, toy ny ataon’i Kristy Jesosy Lohan’izy ireo ihany.—1Ko 15:23-28; jereo TSY METY MATY; ZAVAMANANAINA.