JANA
(Jàna).
Anisan’ireo nanohitra an’i Mosesy. Nampitovin’i Paoly tamin’i Jana ireo mpivadi-pinoana nanohitra ny fahamarinana. (2Ti 3:8, 9) ‘Niharihary tamin’ny rehetra ny hadalan’i’ Jana sy Jambra. Marina fa tsy voatonona ao amin’ny Soratra Hebreo ny anaran’izy ireo, nefa eken’ny maro fa olona ambony tao an-dapan’i Farao izy ireo. Angamba i Jana sy Jambra ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina, izay nanohitra foana rehefa tonga tao amin’i Farao i Mosesy sy Arona. (Ek 7:11, 12, 22; 8:17-19; 9:11) Betsaka ny tantara sy fanazavana avy amin’ny lovantsofina manamarina izany, fa vitsy kely kosa no mandiso izany. Miresaka momba an’i Jana sy Jambra, na ny iray amin’izy roa lahy, ny filozofa na mpanoratra tsy kristianina, anisan’ireny i Numenius, Pline Zokiny, Apulée. Eo koa ny asa soratra tsy kristianina, toy ilay hita tao Qoumrân, ny Targoman’i Jonatana, ary asa soratra vitsivitsy tsy ekena ho anisan’ny Soratra Masina.