JEBOSA
(Jebòsa) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “manosihosy; manitsaka”], Jebosita (Jebosìta).
Tanànan’ny Jebosita fahiny i Jebosa, izay antsoina hoe Jerosalema ankehitriny.
Nantsoina hoe Salema (midika hoe “Fiadanana”) izy io tamin’ny andron’i Abrahama, talohan’ny taona 1900 T.K. Mety ho fanafohezana ny hoe Jerosalema ny hoe Salema. (He 7:2) Miresaka momba an’i Orosalima (Jerosalema) ireo Takelaka Hita tao Amarna any Ejipta. Matetika no antsoina hoe Jerosalema ilay tanàna, ao amin’ny bokin’i Josoa sy Mpitsara ary Samoela Voalohany izay mitantara ny zava-nitranga talohan’ny nahazoan’i Davida azy io. (Js 10:1, 3, 5, 23; 12:10; 15:8, 63; 18:28; Mpts 1:7, 8, 21; 19:10; 1Sa 17:54) Ao amin’ny boky roa monja izy io no antsoina hoe Jebosa. (Mpts 19:10, 11; 1Ta 11:4, 5) Ilay hoe Jebosa ao amin’ny Josoa 18:28 kosa nadika avy amin’ny teny hebreo hoe Yevosi. Ilazana olona ny teny miafara amin’ny i, ka ny mponina tao amin’ilay tanàna no tiana holazaina eo.
Toa midika izany, hoy ny ankamaroan’ny manam-pahaizana, fa Jerosalema (na angamba Salema) no anaran’ilay tanàna tamin’ny voalohany. Rehefa nonina tao ny Jebosita vao nantsoina hoe Jebosa izy io indraindray. Heverina koa fa tsy fanafohezana ny hoe Jerosalema ny hoe “Jebosa”, fa fanafohezana ny hoe Jebosita (anaran’ireo mponina tao). Nantsoina hoe “Tanànan’i Davida” izy io indraindray, rehefa voababon’i Davida i Ziona, ilay tanàna voaro mafy, ka nanorim-ponenana tao izy.—2Sa 5:7.
Taranak’i Hama sy Kanana ny Jebosita tao amin’ilay tanàna sy teny amin’ny manodidina. (Ge 10:15, 16, 20; 1Ta 1:13, 14) Voatonona farany ny Jebosita, rehefa tononina miaraka amin’ireo havany (Hetita, Girgasita, Amorita, Kananita, Perizita, Hivita), satria izy ireo angamba no vitsy indrindra. (De 7:1; Mpts 3:5) Nonina teny an-tendrombohitra izy ireo (No 13:29), ary voalaza fa “tany tondra-dronono sy tantely” ny tanin’izy ireo.—Ek 3:8, 17.
Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa homeny azy sy ny taranany ny tanin’ny Jebosita. (Ge 15:18-21; Ne 9:8) Nitana ny teniny i Jehovah ka nanafaka ny vahoakany avy tany Ejipta. Naniraka ny anjeliny hialoha azy ireo izy, rehefa nita an’i Jordana izy ireo. Nandidy azy ireo koa izy mba ho be herim-po ka handroaka an’ireo nanohitra azy. (Ek 13:3-5; 23:23; 33:1, 2) Tsy tokony hanao fifanekena na fifanarahana ara-panambadiana amin’ny Jebosita sy ny Kananita hafa izy ireo. Tokony haringan’izy ireo tanteraka kosa ireny, ka tsy havelany hisy zavamiaina ho velona, sao ny Israely “hampianarin’izy ireo hanao hoatran’ny zava-maharikoriko rehetra fanaony.”—Ek 34:11-16; De 20:16-18.
Ren’i Adoni-zedeka mpanjakan’ny Jebosita fa resin’ny Israelita i Jeriko sy Ay, ary nilavo lefona ny Gibeonita. Notarihiny àry ny mpanjaka efatra hafa mba hisakana ny fanafihan’ny Israelita. (Js 9:1, 2; 10:1-5) Raikitra ny ady, ary nataon’i Jehovah tsy nihetsika ny masoandro sy ny volana. Resy ireo tafika fahavalo, voababo ireo mpanjaka dimy ka novonoina, ary nahantona teo amin’ny tsato-kazo ny fatiny mba ho hitan’ny rehetra. (Js 10:6-27; 12:7, 8, 10) Mety ho taorian’iny fandresena iny no nodoran’ny Israelita i Jebosa ka kila tanteraka.—Mpts 1:8.
Nianavaratra i Josoa teny ampita andrefan’ny Reniranon’i Jordana, rehefa resiny ny faritra atsimo sy afovoan’ny Tany Nampanantenaina. Nivondrona hiady taminy indray ny Jebosita, izay notarihin’i Jabina mpanjakan’i Hazora. Nampian’i Jehovah anefa ny Israelita ka nandresy. (Js 11:1-8) Nibodo an’ireo havoanan’i Jerosalema ny Jebosita, taorian’ny nandoroana an’i Jebosa sy talohan’ny nizarana an’ilay tany. Nipetraka teny nandritra ny 400 taona izy ireo.—Js 15:63.
Nomena ho lovan’i Benjamina ny tanànan’i Jebosa, izay teo amin’ny sisin-tany nanasaraka ny faritanin’i Joda sy Benjamina. (Js 15:1-8; 18:11, 15, 16, 25-28) Tsy noroahin’ny Israelita anefa ny Jebosita. Navelany hanambady ny zanak’ireny kosa ny zanany. Nanompo ny andriamanitry ny Jebosita mihitsy aza izy ireo. (Mpts 1:21; 3:5, 6) “Tanànan’ny hafa firenena” izy io tamin’ny andron’ny Mpitsara, ka tsy nety nijanona hatory tao ny Levita iray.—Mpts 19:10-12.
Resin’i Davida ihany i Ziona, ilay tanàna voaro mafin’ny Jebosita, tamin’ny 1070 T.K. (2Sa 5:6-9; 1Ta 11:4-8) Novidin’i Davida tatỳ aoriana ny famoloan’i Araona (Ornana) Jebosita teo avaratra, ka teo no nanorenany alitara sy nanolorany sorona manokana. (2Sa 24:16-25; 1Ta 21:15, 18-28) Teo koa i Solomona no nanorina ilay tempoly faran’izay kanto. (2Ta 3:1) Nampiasain’i Solomona tamin’ny asa fanorenana lehibe ny taranaky ny Jebosita tatỳ aoriana, ka nampanaoviny asa an-terivozona.—1Mp 9:20, 21; 2Ta 8:7, 8.
Ny Ezra 9:1, 2 no miresaka farany momba ny Jebosita. Anisan’ny nahatonga an’ireo Israelita hanompo sampy izy ireny, taorian’ny sesitany tany Babylona.