FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Joa”
  • Joa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Joa
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpanoratra ny Raharaham-panjakana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Asafa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Zima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Novalian-tsoa ny Finoan’ny Mpanjaka Iray
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Joa”

JOA

(Jòa) [Rahalahy (Namana) i Jehovah].

1. Levita mpiandry vavahady voatendry hiambina ny trano fitehirizana entana tamin’ny andron’i Davida, ary fahatelo tamin’ny zanak’i Obeda-edoma.​—1Ta 26:1, 4, 12-15.

2. Levita taranak’i Gersoma (Gersona), ary zanakalahin’i Zima. (1Ta 6:1, 19b-21) Mety ho izy ihany ilay Joa (niaraka tamin’ny zanany) anisan’ireo nanary ny zavatra maloto navoakan’i Hezekia avy tao an-tempoly, tamin’izy io vao nanjaka.​—2Ta 29:1, 3, 12, 16.

3. Ny iray tamin’izy telo lahy nirahin’i Hezekia Mpanjaka hihaino ny tenin’i Rabsake, iraka asyrianina, nefa tsy tokony hamaly ny fiampangany sy ny fireharehany. Nangataka azy i Joa sy ny namany mba tsy hanao fiteny jiosy fa syrianina izay azon’ireo ihany, satria ren’ny olona teny ambony manda ilay resaka. Nandrovitra ny akanjony izy ireo avy eo, ary nitantara tamin’i Hezekia ny fandrahonan’i Rabsake. (2Mp 18:18, 26, 36, 37; Is 36:3, 11, 21, 22) Mety ho i Joa na i Asafa ilay “mpanoratra ny raharaham-panjakana” amin’ilay hoe “Joa zanak’i Asafa, mpanoratra ny raharaham-panjakana.” Azo inoana kokoa anefa hoe i Joa ilay izy, satria resahina eo koa ny asan’izy roa lahy niaraka taminy.

4. Mpanoratra ny raharaham-panjakana nampitondrain’i Josia Mpanjaka ny vola ho an’ny mpanamboatra ny simba tamin’ny tempoly, ary zanakalahin’i Joahaza.​—2Ta 34:8-11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara