FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Didim-pitsarana”
  • Didim-pitsarana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Didim-pitsarana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitsarana Avo Jiosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ry Loholona, Mitsarà Amim-pahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Manàna Finoana ary Mahaiza Manapa-kevitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Omeo Voninahitra i Jehovah Rehefa Manapa-kevitra Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Didim-pitsarana”

DIDIM-PITSARANA

Didy avoakan’ny manam-pahefana. (2Sa 8:15; 1Mp 3:16-28; 10:9; 2Mp 25:6; 2Ta 19:8-10) Mpitsara sy Mpanome lalàna ary Mpanjaka i Jehovah Andriamanitra (Is 33:22), ka nomeny lalàna maro be ny firenen’Israely. Natao tari-dalana ny didim-pitsarany rehefa nisy fanapahan-kevitra noraisina momba ny olona na ilay firenena (raharaha anatiny sy ivelany).​—Jereo ADY ANY AMIN’NY FITSARANA; FITSARANA; LALÀNA.

Nomena ny Israely teo an-tendrombohitra Sinay ny ankamaroan’ireo didim-pitsarana ireo. (Ne 9:13) Nisy didim-pitsarana manokana nila navoaka anefa indraindray. Maty tsy nitera-dahy, ohatra, i Zelofada Manasita ka tsy fantatra raha tokony handova azy ny zanany vavy na tsia. Navoakan’i Jehovah ny didy, izay lasa lalàna azo nampiharina tatỳ aoriana rehefa nisy toe-javatra nitovy tamin’izany. (No 27:1-11; 36:1-12; jereo koa Le 24:10-16.) Lasa lalàna koa ny didim-pitsarana navoakan’i Davida momba ny fizarana zavatra azo babo.​—1Sa 30:23-25.

Niavaka ny didim-pitsaran’Andriamanitra raha oharina amin’ireo lalàn’ny firenena nanodidina ny Israely. Nolazainy fa heloka mahafaty ny fanao nahazatra azy ireny, toy ny firaisana amin’ny biby na amin’ny olom-pady na ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Tena ratsy sy mamoafady mantsy izany, nanimba ny saina sy ny vatana, ary tsy nahafahana nifandray tamin’Andriamanitra. (Le 18:6-30; 20:10-23) Niavaka àry ny firenen’Israely rehefa nankatò ny didim-pitsaran’i Jehovah. Notahin’i Jehovah sy nandray soa izy ireo rehefa nanaraka an-tsakany sy an-davany ny didiny, ka hoy ny firenen-kafa: “Tena hendry sy mahira-tsaina io firenena lehibe io!” (De 4:4-6) Nitondra fitahiana ho an’ny Israely tokoa ireny didy ireny (Le 25:18, 19; De 4:1; 7:12-15; 30:16), ka nangataka tamin’i Jehovah ny mpanao salamo mba hampianariny ny didim-pitsarany. (Sl 119:108) Tena tiany izy ireny, ka nidera an’i Jehovah impito isan’andro izy (Sl 119:164) ary nifoha tamin’ny misasakalina mihitsy mba hisaotra azy.​—Sl 119:62.

Mpitaiza nitarika ho amin’i Kristy fotsiny anefa ireny didim-pitsarana anisan’ny Lalàna ireny, na dia tsara sy ara-drariny ary masina aza. Nosoloana fifanekena vaovao ny fifaneken’ny Lalàna. (Ro 7:12; Ga 3:24; He 8:7-13) Hahazo fitahiana be lavitra noho ny Israelita teo ambanin’ny Lalàna àry izay mankatò ireo didy na didim-pitsarana ao amin’ilay fifanekena vaovao.​—Jn 13:34, 35; 1Ko 6:9-11; 1Pe 1:14, 15, 22, 23; 2:9, 10; 1Jn 5:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara