FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kira, I”
  • Kira, I

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kira, I
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Kira-haresa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kira-heresa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Elama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Beti-edena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kira, I”

KIRA, I

(Kìra).

Toerana nonenan’ny Aramianina talohan’ny nankanesany tany Syria. Tsy voatery ho Kira anefa no toerana niaviany. (Am 9:7) Nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Amosa mpaminany (1:5) fa hiverina any Kira ny Aramianina, ka hatao sesitany any. Tanteraka izany rehefa nandresy an’i Damaskosy, renivohitry ny Aramianina, i Tiglato-pilesera III, izay nahazo tsolotra tamin’i Ahaza mpanjakan’ny Joda. Nataony sesitany tany Kira ny mponina tao.​—2Mp 16:7-9.

Milaza ny Isaia 22:5, 6 fa niomana hiady tamin’ilay “lohasahan’ny fahitana” (heverina ho Jerosalema) i Kira. Maro no mihevitra fa tanteraka izany tamin’i Sankeriba mpanjaka asyrianina nanafika an’i Joda. Miara-voatonona amin’i Elama i Kira ao, ka misy milaza fa tany akaikin’i Elama, tany atsinanan’ny Reniranon’i Tigra, no nisy an’i Kira. (Ampit. Is 21:2. Miara-voatonona amin’i Elama i Media, izay teny akaikin’i Elama.) Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo kosa tsy manao hoe “Kira” ao amin’ireo andininy ireo, fa mampiasa teny maro samy hafa mba handikana an’ilay teny hebreo hoe kir. Tsy fantatra àry hoe taiza marina no nisy an’i Kira.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara