KIRIATA-SANA
(Kiriàta-sàna) [Tanànan’ny Sana].
Anarana hafa niantsoana an’i Debira, izay tanàna tany Jodia nefa nomena ny mpisorona taranak’i Arona. Tokotokony ho 13 km tany atsimoandrefan’i Hebrona no nisy azy io. (Js 15:49; 21:13, 15) Misy milaza hoe fahadisoan’ny mpanao dika soratra ny hoe Kiriata-sana fa tokony hoe Kiriata-sefera no nosoratana teo.—Jereo DEBIRA No. 2.