PAPANGO
Papango mainty; vorona tsy azo nohanina araka ny Lalàn’i Mosesy
1. [Heb.: ʼaiyah, “papango mainty”; daʼah, “papango mena”]. Vorona mpihaza sy mpihinana fatim-biby. Anisan’ny vorona maloto resahin’ny Lalàna ny papango mainty sy papango mena, fahita any Palestina. (Le 11:13, 14; De 14:12, 13) Raʼah ny ao amin’ny Deoteronomia fa tsy daʼah toy ny ao amin’ny Levitikosy, angamba satria novan’ny mpanao dika soratra ho “r” (ר) ilay “d” (ד). Mitovy be mantsy ireo litera ireo amin’ny teny hebreo.
Mitovy amin’ny feo mankarenin-tsofin’ny papango mainty (sokajin’ny manam-pahaizana ho Milvus migrans), hono, ny fanononana ny hoe ʼaiyah (heb.).
Tsy tena fantatra kosa ny dikan’ny hoe daʼah (heb.) tany am-boalohany. Midika hoe “misidina na miriotra manidina”, hono, izy io, toy ny amin’ilay hoe “niriotra [avy amin’ny heb. hoe: daʼah] teny ambony elatry ny anjely.” (Sl 18:10) Manamafy an’izany koa ireo andininy miresaka voromahery “mifaoka.” (De 28:49; Je 48:40; 49:22) Vorona mpihaza àry izy io. Papango mena (Milvus milvus) izy io, hoy i Koehler sy Baumgartner.—Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 198.
Nataon’i Joba ohatra ny maso matsilon’ny papango mainty. Nilaza izy fa na ny vorona mpihaza mahatazan-davitra aza, dia tsy mahita ny lalana ambanin’ny tany ataon’ny olona tia karokaroka sy mpitrandraka harena.—Jb 28:7.
Mandalo any Palestina ny ankamaroan’ny papango mainty mankany Afrika, izay toerana ijanonany rehefa ririnina. Mihamaro anefa ireo mijanona any Israely. Manao akany eny amin’ny hazo mijoalajoala ary mitahiry sakafo ao izy ireny, vao manatody. Ny papango mena kosa mahalana vao hita any Palestina rehefa ririnina. Mivolontsôkôlà somary mena misy tsipika mainty ny volony, ary fotsy mivolondavenona ny lohany.
2. [Heb.: daiyah, azo inoana fa karazana papango]. Ny lisitry ny vorona maloto ao amin’ny Deoteronomia 14:13 no misy hoe daiyah (heb.), fa tsy ny lisitra mifanitsy amin’io ao amin’ny Levitikosy 11:14. Tsy misy hoe daiyah koa ny Deoteronomia 14:13 ao amin’ny sora-tanana hebreo efatra, sy ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina, ary ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Mety ho fanitsiana nataon’ny mpanao dika soratra teo an-tsisim-pejy ny hoe daiyah, avy eo natsofoka tao amin’ilay andininy, hoy ny manam-pahaizana sasany. Misy ilay endriny milaza maro (daiyôht) anefa ao amin’ny Isaia 34:15, ary ilazana vorona nitangorona tany Edoma efa lao izy io.
Tsy tena fantatra hoe vorona inona ny daiyah. Toa avy amin’ny matoanteny midika hoe “miantoraka” na “manatona haingana be”, hono, izy io. Mety ho vorona mpihaza àry ny daiyah. Papango izy io, hoy ny ankamaroan’ny manam-pahaizana maoderina.