FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Vilia Famolavolana Koba”
  • Vilia Famolavolana Koba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vilia Famolavolana Koba
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Lalivay
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mofo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Ny Mofonay Isan’andro”
    Mifohaza!—1993
  • Manao Mofo, Mpanao Mofo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Vilia Famolavolana Koba”

VILIA FAMOLAVOLANA KOBA

Vilia baolina fisaka sady mora entina. Vilia hazo izy io matetika, nefa nisy koa tanimanga sy halimo. Nafangaro tao ny lafarinina sy rano mba ho lasa koba. Ampahany kely tamin’ny koba nanaovana mofo no nafangaro tamin’ny koba vaovao, rehefa hanao mofo misy lalivay. Navela hitombo tao anatin’ilay vilia ny koba, vao natao tao anaty lafaoro. (Ge 18:6; 1Sa 28:24) Novolavolaina tamin’ny tanana ny koba, na nohitsakitsahina tao anaty vilia ngezabe, toy ny nataon’ny Ejipsianina indraindray.​—Ho 7:4.

Isan-karazany ny haben’ny vilia famolavolana koba. Tokotokony ho 25 sm ny savaivon’ny vilia baolina tanimanga fampiasa matetika, ary 8 sm teo ho eo ny halaliny.

Foto-tsakafon’ny Hebreo ny mofo nandrahoina tao anaty lafaoro. Tena nila vilia famolavolana koba àry izy ireo, toy ny firenen-kafa fahiny ihany. Tafiditra tao an-trano sy hatrany anaty vilia famolavolana koba ny sahona, rehefa nandefa ny loza faharoa tany Ejipta i Jehovah. (Ek 8:3) Haingana be ny nialan’ny Israelita tany avy eo, ka ‘nentiny ny kobany mbola tsy nisy lalivay. Ary nofonosiny tamin’ny lamba fitafy ny vilia famolavolany koba ka nataony an-tsoroka.’ (Ek 12:33, 34) Nampiasaina hanaovana ‘mofo isan’andro’ ny vilia famolavolana koba, ka tena nilaina tao an-trano. Ny hoe hotahin’i Jehovah àry ilay vilia dia midika hoe ho ampy tsara ny sakafo tao an-trano. Midika mosary kosa ny hoe hozonina izy io.​—De 28:1, 2, 5, 15, 17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara