FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tohatra”
  • Tohatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tohatra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Tian’i Jehovah ho Voaro Amin’ny Loza Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Anjely
    Mifohaza!—2017
  • Inona ny Anjely?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Fomba Anampian’ny Anjely Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tohatra”

TOHATRA

Ao amin’ny Genesisy 28:12 ihany no ahitana ny teny hebreo hoe sollam nadika hoe tohatra. Nanonofy nahita tohatra (na toy ny tohatoha-bato angamba) nitehina tamin’ny tany i Jakoba, ary nipaka tamin’ny lanitra ny tampony. Niaka-nidina teo ny anjely, ary toy ny hoe i Jehovah Andriamanitra no teo an-tampon’ilay izy. (Ge 28:13) Asehon’ilay tohatra àry fa mifandray amin’ny etỳ an-tany ny any an-danitra, ary mampiasa an’ireo anjely Andriamanitra hanampiana ny olona ankasitrahany.

Mety ho io fahitana io no tao an-tsain’i Jesosy tamin’izy niteny tamin’ny mpianany hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ho hitanareo ny lanitra misokatra, sy ny anjelin’Andriamanitra hiakatra sy hidina mankatỳ amin’ny Zanak’olona.”​—Jn 1:51.

Matetika nampiasa tohatra azo batabataina ireo nanao fahirano, toy ny fahita amin’ireo tsangambato ejipsianina sy asyrianina. Asehon’ny sary mivohitra any Ninive, ohatra, fa nampiasa tohatra ireo Asyrianina nanafika an’i Lakisy.

Nampiasaina tamin’ny fanorenana koa ny tohatra, fahiny. Ahitana azy ireny, ohatra, ny tsangambaton’i Ora-Namo izay misy sarin’ny fanorenana tempoly miendrika piramida. Mampiseho olona miakatra tohatra eo amin’ny hazo palmie koa ny sary mivohitra asyrianina avy any Tell Halaf (natao tamin’ny taonjato fahasivy T.K., hono).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara